Mois : mars 2023

Campus Ambondrona : hiroso ny asa raha vao vita ny tombana

Mitohy ny fanadihadiana sy ny famotorana momba ny fifandonana nitranga tao amin’ ny campus Ambondrona Maha­janga, ny 19 febroary lasa teo. Manao ny andraikiny amin’ny fanadihadiana ihany koa ny “cellule anti-corruption” (sam­pandraharaha fisorohana ny herisetra eny anivon’ny oniversite) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa miady amin’ny herisetra […]

Fikoloana ny fahadiovana sy ny fidiovana: hentitra ny fifantenana ireo mpanara-maso

Ao anatin’ny dingana fitsarana ny fifaninanana amin’ny fandraisana ireo olona hiandraikitra ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Hentitra sy mangarahara ny fifantenana. Nanazava ny talen’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly ao amin’ny CUA, Ramilijaona Andry fa hentitra sy mangarahara tanteraka ny fanatanterahana ny […]

Taolagnaro : namatsy vola famatsian-drano ny QMM

Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mam­pihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]

FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Eo ny minisiteran’ny In­dostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra […]

Amoron’i Mania : nidina ifotony ny minisitra roa

Niaraka nidina tany Ambo­sitra, faritra Amoron’i Mania, ny 25 febroary teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herin­drainy Olivier, sy ny ao amin’ ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Solo­niaina. Anton-dian’izy ireo ny nijery ny fotodrafitrasa sim­ban’ny rivodoza Freddy, sady nitondra fanampiana ho an’ny traboina. […]