Resabe eo amin’ny tontolo politika ny fanambarana nataon’ ireo raiamandreniben’ny firenena toa an-dRamatoa Razanamahasoa Christine sy Atoa Soja Jean André na i Kaleta. Tao anatin’ ny roa andro, manambara ampahibemaso ny tsy fitoviam-pijery amin’ny samy mpanohana ny filoham-pirenena izy ireo. Andaniny, Ramatoa filohan’ny Antenimierampirenena mampatsiahy fa mendrika ny faritanin’i Fianarantsoa […]
Mois : mars 2023
Filoha Rajoelina tany Nosy Varika: “Tsy mifanary isika ary tsy ho voasakan’iza na iza”
Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an’ny any Nosy Varika noho ny rivodoza Freddy farany teo ny filoha Rajoelina Andry. Nivoitra tamin’ny lahateniny fa tsy maintsy tonga tany an-toerana ny tenany. “Tsy mifanary isika. Toy ny vary sy rano ka tsy manaiky hosarahina. Tsy maintsy lasa lavitra rehefa miara-dalana ary tsy […]
Toamasina : tratra ny jiolahy mpanao fanafihana
Mbola mitohy ny fikarohana ataon’ny polisy ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ilay fanafihana tokantrano iray ao Toamasina an-tampon-tanàna. Jiolahy telo indray voasambotry ny polisy ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano nandritra ity fanafihana ity. Na teo […]
Asan-jiolahy : fito lahy voasambotry ny polisy
Nanaovan’ny polisy vela-pandrika, noraisim-potsiny niaraka tamin’ny vilany nangalariny ny mpamaky trano telo lahy tao Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mitaraina matetika ny ankamaroan’ny mponina ao an-toerana. Tsy mifidy alaina ireo jiolahy fa entiny hatramin’ny vilany fandrahoana sakafo. Nanao paikady hanatrarana ireo tsy mataho-tody noho izany ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao […]
Nahatrarana rongony 12 kg : ramatoa iray nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray nahatraran’ny mpitandro filaminana rongony milanga 12 kg tao amin’ny fokontany Mahatsara, anatin’ny kaominina renivohitra Antsiranana, afakomaly. Naharay antso tamina olona tsara sitrapo ny polisy fa misy renim-pianakaviana iray manaparitaka rongony ao amin’io fokontany io. Natao ny fanadihadiana. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’ ilay ramatoa […]




