Mois : mars 2023

Minisitra R. Landy : “Hanakaiky vahoaka ny fitsarana”

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­tenasoa Landy tamin’ny fanokafana ny atrikasa mom­ba ny serasera, tetsy Tsara­lalàna fa manana tamberin’ andraikitra amin’ny vahoaka ny fitsarana. “Tokony hanao fanambarana mazava sy mangarahara momba ireo raharaham-pitsarana sy ireo didy mivoaka isika. Ao anatin’ny ezaka hanatrarana ny tanjona fitsarana manakaiky vahoaka sy azo itokisana izany”, […]

Fiainam-pikambanana Mandritsara : tsy manaiky hatao fitaovana politika ny Fizama

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Itaosy ny Fikambanan’ny zanak’i Man­dritsara, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny lahatenin’ny filoham-boninahitra, Navony Pierre Lenoble ta­min’izany. “Aoka tsy hanaiky hatao fitaovana politika isika zanak’i Sofia. Aza manaiky hosaraham-bazana sy ampiadiana”, hoy izy. Nanamafy izany ny filohan’ny Fizama, Tsiarovana Ber­gès Angelino ka nilaza fa […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy miova ny tsy fiandaniantsika”

“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toe­ran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra […]

Fikaonandoham-pirenena : hikarakara ny FFKM, hoy ny CMT

Misoko mangina. Tsy azo ihodivirana ny hirosoan’ny FFKM amin’ny famoriana ireo zanany, araka ny tetiandro efa napetrak’izy ireo. Nanamafy izany ny eo anivon’ny mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena. “Nitady rafitra iray isehoan’ny tsy fombana ny atsy na aroa hikarakara fikaonandoham-pirenena no dingana natao. Ny FFKM no neritreretinay tamin’izany. Nanao antso tamin’ny FFKM […]

Morarano Chrome : hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana

Mbola eny am-pelatanan’ ireo jiolahy mpaka an-keriny ireo takalon’aina telo nalaina an-keriny tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Morarano Chrome, ny zoma lasa teo. Omaly, nivory tao amin’ny tranom-pokonolona ny OMC niaraka tamin’ ireo mponina ao an-toerana. Nanatrika izany ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka, faritr’Atsinanana, ny kaomandin’ny zandarimaria ao Toa­masina, ny lehiben’ny […]