Nisy nandroba ny trano fitoeram-basy ao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly. Very tao an-toerana ny basy miisa efatra sy ny bala maro. Tsy mampino! Very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly, ny basy Mas 36 miisa telo niaraka tamin’ny bala 59. Nisy nangalatra ihany koa ny basy poleta iray sy ny bala […]
Mois : mars 2023
Ambatolampy : jiolahy dimy nidoboka am-ponja
Naiditra am-ponja ireo jiolahy anisan’ny mampihorohoro amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina Antakasina, Ambatolampy, ny 27 marsa teo. Nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambololondrano, nanaparitaka bala tsy nipoaka ity fikamban-jiolahy ity, ny 19 marsa lasa teo. Tsy nanana fitaovam-piadiana izy ireo saingy nampihorohoro ireo manodidina fotsiny ihany. “Milaza ho manana […]
Jly Ranjeva : nizara traikefa tamin’ny mpianatry ny Acmil
Tonga nitsidika sy nizara traikefa tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ny talata teo, ny Jly Ranjeva Marcel (efa misotro ronono). Nandray azy ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy fifampizarana nataony tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra. Notsindriny manokana ny etika sy ny toe-tsaina maha manamboninahitra rehefa mivoaka ny sekoly. […]
Fampiasana basy tsy ara-dalàna… : transitaire sy ny namany naiditra ao Ambalatavoahangy
Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, ny raharaha nahavoarohirohy mpandraharaha iray misahana fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina “transitaire” sy ny namany iray hafa. Voasaringotra amina raharaha fandrahonana hamono tovovavy telo amin’ny alalan’ny tifitra variraraka izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ny fampanoavana, samy naiditra am-ponja izy roa lahy. […]
Nanaparitaka vola sandoka : nidoboka am-ponja ilay tovolahy
Nanao petra-bola tao amina Cash point , tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nampiasa vola sandoka 8 alina Ar tao Moraranokely, Kaominina Ankazomiriotra-Antsirabe, ny 19 marsa teo. Ny 2 febroary, nanao petra-bola tao amin’ny Cash point iray ao an-toerana io lehilahy io. Efa lasa anefa izy, tsikaritry ny mpandray vola fa […]




