Tontosa teny amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny 30 marsa 2023, ny fampahafantarana ny “Raini-dedaka”, horonantsary novokarin’ny Beyond Mada, tao anatin’ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Masoivoho, amin’ ny tetikasa « Cinema am-pokontany ». « Tanjona ny hitaiza sy hanabe ny olom-pirenena, indrindra ny ankizy, amin’ny alalan’ny kolontsaina », hoy i Anjara Rasoanaivo, Sekretera jeneralin’ny fikambanana Masoivoho. « Mampiala […]
Mois : mars 2023
29 marsa 1947 – 29 marsa 2023 : ho lasa fitiavan-taningazana sisa ny an’ny Malagasy
Vao andro vitsy no nilaozana ny 29 marsa. Vanim-potoana heverina fa anisan’ny namaivay tanteraka teo amin’ny fanehoana fitiavan-tanindrazana ho an’ny Malagasy… 76 taona aty aoriana, mbola milaza fa tia an’i Madagasikara hatrany ny Malagasy. Am-bava izay fa ny tena zava-misy marina… Raha vao voakitika io maha Malagasy io, tohina ihany […]
Fivato : “Miteraka fahantrana ny kolikoly”
“Misy manao resaka mihodinkodina. Ireo tsy te hiala amin’ny kolikoly no tena manao an’izay hoe: tsy afaka ny kolikoly, raha mbola firenena mahantra. Diso izany. Ny kolikoly no miteraka ny fahantran’ny firenena”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William, manoloana ny ady amin’ny kolikoly. Tsy […]
Governoran’ny faritra Betsiboka : “Manohitra ny fanovana ny lalàm-pifidianana izahay”
“Manohitra ny fanovona ny lalàm-pifidianana izahay”, hoy ny governoran’ny faritra Betsiboka, Randrianjafinindrina Jean-Roger. Manaitra an-dry zareo ny fanambaran’ny sasany hoe tokony horavana ny HCC sy ny Ceni, hovaina ny lalàm-pifidianana. Nefa efa lalàm-pifidianana nanatanterahana fifidianana nahavoafidy ny filoha Rajoelina, taona 2018, io. Tsy ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao no nametraka […]
29 marsa – Antsirabe : niharan’ny fanilikilihana ny depiote Tim
Nanao fanambarana manameloka tanteraka ny fanilikilihana sy fanavakavahana natao taminy ny depiote Jean François Michel “Havako aby”. Anisan’ireo manampahefana nasaina hametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato, manoloana ny gara ity olom-boafidy ao Antsirabe I ity, ny 29 marsa teo. Tsy tanteraka, araka ny tokony ho izy, anefa izany raha tsy efa […]




