Mois : mars 2023

New York : fivoriambe mikasika ny rano

Nanomboka ny 22 marsa teo, any New York, ny fivoriamben’ny firenena Mi­kambana (ONU) andinihana lalina mikasika ny rano. Tombanana ny zava-bita aty antenantenany mikasika ny fanatrarana ny tanjona ato anatin’ny 10 taona (2018-2028), ny « rano ho an’ny fam­pandrosoana maharitra ». Miaraka mitarika ny fivo­riana ny governemanta any Tadjikistan sy Pays-Bas. An­koatra […]

Tetikasa « Train urbain » : hisokatra amin’ny aogositra ny fitaterana

Vahaolana hampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra ny fitaterana an-dalamby mandeha amin’ny herinaratra. Maro ny pitsopitsony tsy maintsy hatao, fa vinavinaina amin’ny volana aogositra 2023 ho avy izao ny andrana hampandehanana azy. Vita amin’ny 60% ny fotodrafitrasa hametrahana ny fitaterana an-dalamby eto Antanana­rivo, ao anatin’ny tetikasa « train urbain ». Nijery ifotony […]

Fikaroham-bahaolana : nampahafantatra ny Antenimiera ny fihaonambe hataony ny FFKM

Miroso tsikelikely ho any amin’ny fikaroham-bahaolana manoloana ny fifidianana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, teny Tsimbazaza, omaly, ireo solontenan’ny birao foiben’ny FFKM. Anisan’ny nifampiresahana tamin’izany ny nampahafantaran’ireto lohandohany eo anivon’ny fioben’ny fiangonana efa-tonta ireto ny hirosoan’ny FFKM, amin’ny fihaonambe na fikaonandoham-pirenena. Efa tafiditra ao anatin’izany ny handraisana eto Antananarivo ilay […]

Fijery miabo sy fandresena 

Migadona anio ny andro malaza ! Hiakatra kianja indray ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra, sokajy zokiny na ny Barea sokajy A. Hampiseho firaisam-po sy fifankatiavana indray ny Malagasy tsy vakivolo. Samy miara-mirona ny olom-pirenena rehetra na andrenivohitra na any ambanivolo. Hirodorodo isika hanosika ny « omby masiakantsika ». Hanao angaredona sy hanandram-peo […]