Mois : mars 2023

Zava-miafin’ny 1947 : mijoro vavolombelona Randrianasolo, 95 taona

76 taona ny tolom-panavotana, nitakiana ny fahafahana teo ambany ziogan’ ny mpanjanaka. Nizaka ny mafy ny malagasy ny taona 1947. Mitantara ny niainany izany i Dada Randrianasolo. bekotro maro olatra. Tao anatin’ny fangirifiriana tanteraka no niain’ireo mpiady Tia Ta­nindrazana, tsy nanaiky nilavo lefona teo ambany vahohon’ny Frantsay tamin’ny fotoana nipoahan’ny […]

Isan’ireo mampitondra faisana : dahalo roa lahy lavon’ny zandarimaria

Maty voatifitry ny zan­darimariam-pirenena avy ao Ambatolampy, ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana any an-toerana. Ny zoma teo, nahazo loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mikasa hanao ny asa ratsiny ireo jiolahy. Araka izany, napetraka ny vela-pandrika rehetra. Niambina ny kizo mety ho lalan’ny olon-dratsy ny zandary. Tokony ho tamin’ny 6 ora […]

Naiditra eny Antanimora : tratra ireo nangalatra fitaovana fivarotana hani-masaka

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’An­tanimora, afakomaly, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny vaky trano eny Behoririka sy ny manodidina. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nifanehatra taminy izay tsy nampoiziny mihitsy. Tsika­ritr’ireo polisy mpanao fisafoana ny fihetsik’ireo jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana avy hatrany izy […]

Fikambanan’ny Liandra Mahery: tratra ny 11 amin’ireo tovolahy mpanao herisetra ao Toamasina

Ankoatra ireto 11 voasambotra, izay mandrafitra ny Fikambanana Liandra Mahery ao Toamasina ireto, ao anatin’ny fikarohana ny naman’izy ireo ny polisy ao Toamasina. Mbola samy mpianatra ao Mangarano II avokoa… Tohivakana ny fisamborana! Tovolahy ao anatin’ny fahatanorana 11 no indray voasambotry ny polisy tao Mangarivotra Ava­ratra Toamasina, nanomboka ny sabotsy […]