Mois : mars 2023

“Iray volana ho an’i Gabhy” : famelabelarana ny tohin’ny hetsika

Tontosaina anio eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny hetsika “Ny sora-piainan’i Gabhy”, hetsika tafiditra ao anatin’ny “Iray volana ho an’i Gabhy”. Famelabela­rana sy fampahafantarana ny nodiaviny tamin’ny fiainany no hatao amin’izany. Ny minisiteran’ny Serasera sy ny ko­lon­tsaina, miaraka amin’ny Fikam­banan’ny Mpikanto teny sy soratra malagasy na FMTS no mikarakara ny hetsika. […]

Misaona ny baolina kitra : notolorana mari-boninahitra Rakotonirina Désiré na i Dezy Monstre

Niainga omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, hihazo ny faritra Amoron’i Mania, distrikan’i Fandriana niaviany, ny nofo mangatsiakan-dRakotonirina Désiré na i Dezy Monstre, kintan’ny baolina kitra malagasy. Mialoha izany, nisy ny fanolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy» azy. Nitarika izany i Haja André Resampa, minisitry […]

“The Voice Africa” : noraisina an-tanana ny jamba

Manomboka ho hita amin’ny fahitalavitra ny « The Voice Africa » amin’ity volana ity, hahitana ny talentan’ny afrikanina, sady fialamboly. Airtel Africa, iray amin’ireo mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra sy fikirakirana ara-bola, 14 taona nisy taty Afrika na­nambara fa handrasana io fandaharana io manomboka amin’ny 26 marsa 2023. Mpanohana ny fandaharana ny Airtel Africa […]

Kitra – Fifanintsanana «Can 2023» : Roandey no hitsara ny lalaon’ny Malagasy sy i Centrafrique

Iray andro mialoha ny lalao mandroso hikatrohana amin’i Centrafrique ny Barea de Madagascar, anio. Vonona ny ekipa roa tonta hiatrika izany. Hitantana ny lalao ireo mpitsara avy any Rwanda. Avy atsy Maorisy ny “commissaire au match”. Hitantana ny fihaonana eo amin’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves du Bas-Oubangui […]