Mois : mars 2023

Vomila : Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’ny Nosy ny karazam-bomanga miloko laoranjy na vomanga miaty (Vomila). Manatan­teraka ny tetikasa fanaparitahana izany vokatra izany ny Centre International de la pomme de terre (CIP) eto Madagasikara. Tany amina hektara maro no hambolena izany any atsimo. Ampiofanina ireo tantsaha eny ifotony mba ho mpamokatra […]

Manoloana ny fitombon’ny mponina : tsy azo ihodivirana ny fananganana tanàna vaovao

«Tsy maintsy irosoana ny fanorenana tanàna vaovao manodidina an’Antananarivo», hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamanohisoa Gérard. Efa sokajiana eo amin’ny fanairana miloko mena amin’ny fitombon’ny mponina an-tanàn-dehibe i Madagasikara. Toamasina afaka 15 taona dia ho feno 1 tapitrisa ny mponina ao aminy. Olona 3 […]

Fifaninanana literatiora : navoaka ho boky ny sanganasan’ireo mendrika

Nomarihina omaly 21 marsa ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia. Maro ireo hetsika nentina nanamarihana izany. Niavaka kosa ny lanonana tetsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, satria nampahafantarina omaly ny fivoahan’ireo boky, sanganasan’ireo mendrika, indrindra tamin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny literatiora. Nentina nanamarihana ny «Iray volan’ny teny malagasy» ny volana jona 2022 ny […]

Lisitry ny mpifidy: mandalo dingana ny fitsirihana

Fandinihana ny rindrambaiko sy ny asa amin’ny fikirakirana ny antontam-baovao, ohatra, fandinihana ny fisoratana anarana isaky ny fari-pifidianana, fandinihana ny fifanarahana ankapobeny ny mombamomba ny mpifidy voasoratra anarana… Ireo no anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanaovana fitsirihana ny asa amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejistry ny lisi-pifidianana […]