Natokan’ny Firenena Mikambana (ONU) hankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala ny 21 marsa. Nanamarika izany koa i Madagasikara, ka natao tany amin’ny foiben’ala any Manankazo Ankazobe ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy, omaly. Lohahevitra noraisina ny hoe : «Ny ala sy ny fahasalamana». Nisy ny fambolena volobe manamorona ny renirano, sady […]
Mois : mars 2023
Krizy sosialy : vahaolana ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy famahana olana sosialy ny sehatra tsy miankina. Manoloana ny krizy goavana lalovan’ny firenena malagasy, manan-danja ny fijerena akaiky ny olana sedrain’ny fandraharahana amin’ny ankapobeny. «Ny sehatra tsy miankina sy ny mpandraharaha no afaka mamorona asa. Rariny sy hitsiny izany raha atao […]
Fampisehoana: nampahafantarina tany Qatar ny asa tanana malagasy
Ezaka ataon’ny minisiteran’ny Asa tanana sy ny taozavatra izao ny mampahafantatra ny asa tanana vita malagasy any ivelany. Natao izany tany Quatar ny 6 hatramin’ny 10 marsa 2023 teo, nandefasana mpanao asa tanana malagasy. Nampahalala ny asa tanana malagasy tany ivelany ny minisitera. Ankafizin’ny olona ny vita malagasy, hoy ny […]
Sekoly alahady : hihaona any Moramanga ny mpampianatra
Hotanterahina any Moramanga ny 19, 20, 21 avrily izao ny fihaonamben’ny mpampianatra Sekoly alahady manerana ny sahan’ny FJKM. Hisy ny karazam-piofanana omena azy ireo, mifanaraka amin’ny taonan’ny ankizy raisiny. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpampianatra amin’ny fandraisana ireo ankizy sy tanora eny anivon’ny fitandremana, hikolo azy ireo ho tonga olom-banona […]
Antsirabe : nodinihana ny fitantanana ny akora simika
Natao tany Antsirabe tamin’ny herinandro iny ny atrikasa miompana amin’ ny fandaharanasam-pirenena momba ny fitantanana ara-drariny ny akora simika eto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny ivontoeran’ny fanaraha-maso misahana izany . Andrasana aorian’ny fikaonandoha ny drafitrasa mazava izay azo hampiharina hatramin’ny taona 2030. Tsy ny rehetra no mahafehy ny fitantanana ny […]




