Mois : mars 2023

Mila mijoro ny filohan’ny Repoblika

Anatin’ny adilahy politika tanteraka isika eto Madagasikara amin’ izao fotoana izao. Betsaka ny efa voalaza mikasika izay, avadika ny resaka sehatra hafa indray izy anio. Hisintona lakolosy hatrany anefa mba hahatonga saina antsika ho tafavoaka amin’ny karazan-tsedra maro lalovan’ny firenena. Tsy misy afaka ny hitompo teny fantatra rahateo fa vahaolana. […]

Fanafihana mitam-basy : nafatotra ny mpiambina, jiolahy roa maty voatifitra

Sady nafatotry ny olon-dratsy ny mpiambina roa lahy no novakiany ny tsena, omaly maraina. Tonga ara-potoana ny polisy. Raikitra ny fifampitifirana, maty ny mpanafika roa. Trangana fanafihana intelo nisesy no niseho tao Toamasina tao anatin’ny andro vitsy. Samy nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip, notarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules avokoa ny olon-dratsy. Ny […]

Tselatra

Nahitana ilan-tongotr’olona teny akaikin’ny tsenan’ Anjanahary, omaly maraina, tsy lavitry ny fasam-bahiny. Somary masaka ilay tongotra ary tsy mbola rava ireo nofo. Tsy nahitana diana kaikitra ihany koa ity ilan-tongotra ity. Tonga teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera ary ny BMH nijery izany. Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’i […]

G2C Sedrick : natao veloma ara-miaramila

Nampihetsi-po! Natao, omaly, tao Ambanitsena Am­balavao ny fanaovam-beloma ara-miaramila ny G2C Se­drick Nantenaina na i Jao. Nitarika izany ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Fianarantsoa niaraka tamin’ny ben’ny Tanànan’Ambalavao, Ran­dri­a­nirina Yves Georges ary ireo mpiara-miasa aminy. Nana­ovana fotoam-bavaka nitrotroana am-bavaka ny fanahiny tao amin’ny Ekar Md Joseph izy, alohan’ny hanitrihana azy any […]

Fanafihana mitam-piadina : vehivavy iray maty, naratra mafy ny zanany kely

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Agnambia, kaominina ambanivohitra Am­pa­taka, distrika Vangaindrano, ny alahady teo. Niditra an-keriny tao amin’io tokantrano io ny andian-jiolahy. Fito lahy nirongo basy sy zava-maranitra izy ireo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina. Nanampatra herisetra ireto olon-dratsy ka nandratra azy telo […]