Faritra Sava- Orange: tohanana amin’ny alalan’ny Wifiber ireo mpandraharaha

Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ny faran’ny herinandro teo. Nanavao ny fifanarahana tamin’ny mpandrahara ny Orange , anisan’izany ny vehivavy, ho fampandehanana ny Wifiber.

Sambava sy Antalaha, samy nihaonan’ny tale jeneraly, Frédéric De­bord, ireo manam-pahefana sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ny mponina, nanangonana ny tena filàn’ireo olona ireo, mba hahafahana mitondra vahaolana amin’ny asa fampandrosoana ataon’izy ireo. Sambava sy Antalaha, manana harena ara-toekarena betsaka, tohanana avy amin’ny teknolojian’ny fifandraisana ho­entin’ny Orange , hampandroso bebe kokoa ny faritra.
Ny ao Antalaha, ohatra, manana izay ilaina rehetra na amin’ny lafiny kolontsaina aza. Fantatra maneran-tany izy amin’ny maha renivohitry ny lavanila azy, izay ankafizin’ny mpandraharaha maro. Tsy afa-misaraka amin’ny lavanila Antalaha.

Nandritra ny atrikasa tao Sambava, nohararaotin’ny Orange Madagascar ny nampahafantatra ny Wifiber, tambajotra momba ny fifandraisana amin’ny internet tsy misy fetra sy tsy mihena ny tanjany. Wifiber misokatra ho an’ny orinasa sy ny fandraharahana rehetra, indrindra ho an’ny sehatry ny lavanila, hifandraisana amin’izao tontolo izao. Efa misy ny Wifiber eto Antananarivo, Taolagnaro, Mahajanga, Toamasina, Fia­narantsoa, Antsirabe, Nosy Be, Antsiranana, ary any Sambava sy Antalaha izao.
Asa sosialy

Miray lalana i Frédéric Debord sy ny filohan’ny Orange Solidarité Madagas­car, Benja Arson, nanatrika ny fanaovan-tsonia tamin’ireo vehivavy ao Sambava, ho fa­navaozana ny fiaraha-miasa. Nifanarahana momba ny kaominina ao Sambava, JCI* Sambava, sy ny Orange So­lidarité Madagascar. Teo koa ny fifanarahana amin’ny Sam­pandraham-paritra mom­ba ny mponina.
Homena fiofanana lavitr’ezaka ireo vehivavy tsy an’asa. Fiofanana raisin’izy ireo ny fahalalana fototra momba ny fampiasana internet, fitantanam-bola, hatramin’ny fampiasana logiciels ho an’ny matihanina momba ny fandraharahana.
Tamin’io fotoana io notoloran’ny Orange Solidarité Madagascar, famatsiam-bola 4 500 000 Ar, Rtoa Soalaza Simonette, noho ny tetikasany miompy akoho fakana nofo. Nisy ihany koa ny fifanarahana amin’ny fikambanana Macolline momba ny fanatsarana ny fokontany Am­bo­dirafia. Fanavaozana ny fotodrafitrasa momba ny tanàna, toy ny jiro manazava ny tanàna sy trano fivoahana.
Havaozina koa ny tanànan’ny marary hoditra ao Ma­hevadoany Antalaha. Ani­san’ny fanavaozana natao ny trano fisakafoanan’ny ankizy mpianatra, toeram-pitsaboana, jiro ety ivelany, paompin-drano. Maro ny asa sosialy notanterahin’ity orinasa tsy miankina ity tany an-toerana.

Ndrina

Partager sur: