Tsy ampy ny karama farany ambany, 250.000 Ariary apetraky ny fanjakana, raha ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fisemare (Firaisamben’ny Sendikan’ny mpiasa malagasy Revolisionera), Mananandro Raphael, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. Nilaza izy fa tsy mahavita na inona na inona izany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny. Tokony hojeren’ny fanjakana ny hisitrahan’ny mpiasa karama mahavelona, raha ny nambarany. Nohamafisiny fa efa tokony ho 1 tapitrisa Ariary ny karama farany ambany eto amin’ny Nosy.
Fizaham-pahasalamana androahana mpiasa
Ankoatra izay, ataon’ny orinasa fitaovana androahana mpiasa ny fizaham-pahasalamana ataon’ny SMIE (Service Médicale Inter-Entreprise). Voalaza fa marary ny mpiasa iray nefa tsy marary akory, aorian’ny valin’ny fizahana, raha ny filazan’ny mpiasa iray eo anivon’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Tsy afaka miasa intsony ny mpiasa rehefa mahazo ny valim-pizahana.
Nangataka ny eo anivon’ny fikambanana Fisemare fa tokony hisy ny dinika mikasika ny lalànan’ny asa. Tokony havaozina sy hajaina ihany koa ny lalàna mifehy ny SMIE. « Azon’ny olona ampiasainy amin’ny zavatra hafa toy ny fandroahana mpiasa izany rehefa tsy mazava ny lalàna », hoy hatrany izy.Tsiahivina fa niresaka tamin’ny mpanao gazety ny fikambanana Fisemare ny zoma lasa teo, teny amin’ny birao foibeny.
Mino (mpianatra asa)




