Nitaraina ny mponina eny Ambohimanga sy ny manodidina amin’ny halafon’ny vidim-bary amin’izao fotoan’ny maitsoahitra izao. Araka ny toromariky ny filoha Rajoelina, namaly izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana sy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha, ny Jly Ravalomanana Richard, nanome fanampiana ny 2 avrily teo. Notolorana vary 20 gony tsirairay avy ny fiangonana FJKM miisa telo (Amboara Ambohimanga, Andakana Ambohimanga ary Imeritsiafindra Filadelfia Ambohimanga).
Ankoatra izany, misy ny ezaka fanitarana ny FJKM Andakana, ka nomena fanampiana ara-bola hanohanana izany. Nahazo fanampiana ara-bola koa ny FJKM Imerintsiafindra hametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Manampy ireo, niaraka niombom-bavaka teny amin’ny FJKM Manandriana Avaradrano ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notolorana vary 20 gony toy iretsy voatanisa etsy ambony koa ny mpino eny an-toerana.
Njaka A.




