Tsara ho fantatra : tsy aretina fa toe-batana ny « autisme »

Atokana ho Andro maneran-tany ho an’ny olona mifefy tena (autiste) ny 2 avrily. Nikarakara varavarana miso­katra ny foibe Sammy ‘O, eny Ankadivory Ambohima­mory, ny sabotsy teo, nankalazana izany, izay mitaiza ankizy sy tanora, sokajiana ho «autiste». Nifa­nakalo fahalalana sy hevitra ny rehetra tonga, toy ny ray aman-dreny manana zanaka mifefy tena, ny mpanabe, ny olona mahafantatra na koa ny olon-tsotra tsy mahalala azy ireo.

Anisan’ny nivoitra fa tsy aretina ny fifefi-tena na «au­tisme», fa toe-batana. Ha­mantarana azy manomboka eo amin’ny telo na efa-taona ny ankizy, amin’ny alalan’ny fihetsiny sy ny fomba fiainany. «Tsy adala izy ireny fa manana ny tontolony manokana. Tsy fantany ny an’ny hafa, na ny an’ny besinimaro, rehefa miaina ao anatin’izay tontolony izay izy», hoy ny ray aman-dreny iray nijoro vavolombelona.
« Autiste » i Messi
Saika manana toetra, na fahaizana, na talenta ambony be mihoatra amin’ny daholobe ny olona mifefy tena. Isan’izany i Lionel Messi, kintan’ny baolina kitra eran-tany. Nilaza ny talen’ny foibe Sammy ‘O, sady anisan’ny mpamorona ny foibe, ary koa filohan’ny Fikambanan’ny mifefi-tena eto Madagasikara (AAM), Rtoa Raveloson Hanta, fa tanjona tamin’ity varavarana misokatra ity ny fampahafantarana ny olona mifefy tena, ny fifampizarana fahalalana. Misy karazany maromaro ny fomba fanabeazana sy ny fifampiresahana amin’izy ireo. Amin’ny ala­lan’ny firesahana am-bava, ny fihetsika ary ny maso. «Miisa sivy ny ankizy beazina ato amin’ny foibe, ary anisan’izany i Sammy, zanako, 21 taona ,izay « autiste » ihany koa», hoy ihany izy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: