Fiainan’antoko : miasa sy manentana ny Tim

Manetsika ny eny ifotony ny Tim sady manentana. Anisan’izany ny eny anivon’ireo fokontany any Fianaran­tsoa. “Mitohy ny fanentanana hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Manana 20 an­dro hanamarinana ny anarany sy ny mombamomba azy eny anivon’ny fokontany kosa ireo efa nahavitra izany”, hoy ireo mpitarika. Efa nanao ny azy ary mbola mitohy kosa ny eny amin’ny boriborintany fahadimy, eto an-drenivohitra. Anisan’izany ny eny Amba­tomaro, Ambohidahy, Gare routière, Nanisana, Anala­mahitsy.
Teny Ambolokandrina sy Ambohipo kosa ny fanentanana ho an’ny boriborintany II.
Eo koa ny fanohanana zezika ireo tantsaha any Ambatofahavalo, hanatsarana ny fambolena.
Niara-nientana kosa ireo Tim any Vavatenina nanamboatra lalana. “Tsy voajery nandritra ny taona maro izany raha fony fitondrana Ravalomanana no nikarakarana izany farany”, hoy izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: