Tonga eto Madagasikara ny vahiny mpizahatany maromaro, manana fahasembanana ara-batana. Hivahiny eto amintsika mandritra ny 12 andro izy ireo, hitsidika ny tontolo voajanahary toy ny any Ranomafana Fianarantsoa, Ifaty sy ny hafa.
Mpilatsaka an-tsitrapo mitarika azy ireo nandeha aty amintsika, i Hank Malters, avy any Netherlands. Nambarany, fa fanirian’ny orinasa hiasany ny hanome tolotra fizahantany any amin’ny firenena tsy mbola malaza loatra any Eoropa. Maro ny firenena efa notsidihan’izy ireo, toy ny any Vietnam sy Afrika Atsimo, ohatra. Nahasarika azy ireo i Madagasikara tamin’ity indray mitoraka ity, noho izy manan-karena toerana ara-pizahantany maro. Manan-danja amin’ny olona manana fahasembanana ara-batana ny mitsidika sy mahita firenena maro, hahafahan’izy ireo miova rivotra sy mahita tontolo iainana hafa.
Anisan’ny andrasan’ireo mpizahatany manana fahasembanana ireo ny hifaneraserana amin’ny olona maro, indrindra ny mponina eny ifotony. Te hamantatra ny kolontsainy sy ny fomba fiainany ary hijery ny tontolo voajanahary. « Voalohany tonga eto Madagasikara aho, fa efa betsaka ny reko momba ny biby misy aty. Mino aho fa tena hahaliana ny fitsidihana hataonay », hoy ihany i Hank Malters.
Mahafantatra ny fetrany
Amin’ny maha olona manana fahasembanana ireto mpizahatany ireto, andrasan’izy ireo ny hisian’ny trano fandraisam-bahiny manana tolotra mifanaraka amin’ny filan-drizareo. Mino anefa izy ireo fa tsy hisy olana izany satria antenainy fa ho maro ny olona hanampy.
Tafiditra ao anatin’ny toerana hotsidihina ny valan-javaboahary maromaro eto Madagasikara, miisa telo na efatra. Nanamafy i Hank Malters, fa « hiezaka izahay hanao izay mety, mba tsy hisy fahasarotana mandritra ny fitsidihana. Efa mahaleotena avokoa ny ankamaroan’ireo mpizahatany ireo, ka tsy mila fanampiana manokana. Samy mahalala ny fetran’ny tsirairay izy ireo, mahafantatra hoe hatraiza ny mety aminy sy zakany. Misy ny afaka mandeha lavitra miohatra amin’ny sasany, ohatra. Koa, tsy maintsy harindra sy hampifanarahana izany rehetra izany”.
Hiverina eto Antananarivo ny 22 avrily izy ireo, hitsidika ny vohitra manan-tantara sy ny zavatra mahaliana samihafa. Sady hitantara ny zavatra hitany sy tsapany avy.
Njaka Andriantefiarinesy




