Tsy an-kiandriandry fa arahina asa. Efa niroso amin’ny fidinana ifotony ho amin’ny fakan-kevitra ny eo anivon’ny FFKM, ankehitriny.
Niainga amin’ny efa nambaran’ireo filoham-piangonana taorian’ny fikaonandoha nokarakaraina teny Ilafy, ny faran’ny volana marsa teo, izao ary efa fanohizana izany avy hatrany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa efa voarindra sy voalamina avokoa miainga any amin’ny komity foibe izao fakan-kevitra eny ifotony izao. “Horaisina avokoa ireo hevitra rehetra na fitarainana avy amin’ny olom-pirenena na sehatra samihafa any an-toerana. Efa nahazo ny torolalana avy amin’ireo filoham-piangonana avokoa ireo hanatanteraka izany. Hifantoka bebe kokoa eo amin’ny olana sosialy sy ny fanomanana ary koa ny fikarakarana ny fifidianana izany fakan-kevitra izany”, hoy ihany ny loharanom-baovao.
Haharitra iray volana mahery izany fidinanana ifotony ho amin’ny fihainoana ny hetahetaha sy ny olana any anivon’ny faritra izany. Hitohy amin’ny fandravonana ny dingana manaraka ka hanomboka ny 31 mey indray izany.
Anisan’ny hevitra lasitra iaingana amin’ny fikaonandoham-pirenena hotarihin’ny FFKM miaraka amin’ireo filoham-piangonana ny hevitra voaravona amin’izany. Io ilay fihaonambe iantsoan’izy ireo ny zanany ho amin’ny “Fanorenam-pirenena”.
Synèse R.




