Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy tonga saina (MTS), Ratsiraka Roland, omaly. “Ahiana ny tsy hisian’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna eto amin’ny tany sy ny firenena. Anton’izany ny fomba fiasan’ny fanjakana sy ny Ceni amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mirindra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana sy ny fanomanana. Tafiditra ao anatin’izany ny fikorontanan’ny lisi-pifidianana. Notakiny, araka izany, ny hanitsiana na hanovana ny lalàm-pifidianana.
Tsiahivina fa efa nitaky sy nampahatsiahy hatrany ny tokony hanaovana ny fifidianana eny ifotony tahaka izao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga. Efa tapitra koa ny fe-potoam-piasan’izy ireo ka tokony hirosoana izany fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izany, araka ny efa nambaran’izy ireo, volana maro lasa izay.
Tsy mihevitra ary tsy mbola amin’izany fifidianana eny ifotony izany anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.
Synèse R.




