Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Mibebaha ary atsaharo ny fihatsarambelatsihy”

Tsy nitsitsy fitenena ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tamin’ny lahateny fohy nataony tany Boriziny, omaly. Nitodika amin’ny mpitantana isan-tokony sy ny vahoaka ary ny kristianina ny tenany tamin’izany .

“Aoka isika aty amba­­ny ka hatrany ambo­ny, hibebaka fa tsy afaka handroso haingana ny firenena. Ilaina ny famelan-keloka sy ny ma­mindra fo ary tokony hahay hangoraka ny hafa isika. Ma­hazo faka loatra ny fitiavan-tena sy ny fihatsarambelatsihy amin’ny andavanandrontsika”, hoy izy. Notaki­ny ny ha­nomezana andraikitra ny rehetra mba handrosoan’ny firenena. Notanterahina tany an-toerana ny fitokanana ny toeram-pivahinianana Masina “Sanctuaire”, ahitana ny si­san-taolan’ny Papa Joany Paoly II sy Mb Faustine, andraisana ny famindrampon’ Andriamanitra. Fotodrafitrasa voalohany sy sambany eto amintsika ho an’ ny mpino katolika ity naorina any Bo­riziny ity. Nentina am-bavaka izany amin’izao alahady faharoa aorian’ny Paka izao ka nitarika ny lamesa ny kardinaly Tsarahazana Désiré raha nitondra ny teny fampianarana kosa ny filohan’ny Fivon­dro­namben’ny eveka (Fem), ny Mgr Raharilamboniaina Fabien.
Notanisain’ny kardinaly tamin’izany ary nangatahany ny famindrampon’Andria­ma­nitra ny fiainan’ny vahoaka sy ny krsitianina eto amin’ny fi­renena. Anisan’izany ny fanalan-jaza, ny tsy fanajana ny zo maha olona, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, ny fitiavam-boninahitra sy ny vola.

Kolikoly, fanavakavahana, fankahalana

Eo koa ny fihanaky ny kolikoly sy ny tsy rariny, ny fankahalana sy ny valifaty ary ny fanavakavahana. Ireo iharan’ny herisetra sy ny fanolanana, ireo ankizy nilaozan’ny ray aman-dreny sy ny tokantena ary ireo voafonja. Ny tsy manan-kiafolana sy ny tsy anasa ary ireo marary…
Nisolotena ny fanjakana ny governoran’ny faritra Sofia, ny Jly Lilyson. Noha­raraotiny io fotoana io nitanisana ny ezaka vitan’ny fanjakana any an-toerana. Nita­kiany koa anefa izany ny hampiharana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Synèse R.

Partager sur: