MMM : “Tsy an’olon-tokana ny firenena “

Nitohy tany Maintirano, any Melaky indray ny famelabelaran-kevitry ny antoko Malagasy miara-miainga. Nambaran’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany fa tsy mahita ny olana eny ifotony ny fanjakana foibe. Ilaina ny mifampihaino sy manadihady, mba hisorohana ny tahaka ny ma­hazo ny sehatry ny lavanila, araka ny nambarany. “Olana eto amintsika ny fiheveran-tena ho hany mahavita irery ny firenena. Anisan’iza­ny ny fanjakana foibe. Tsy afaka ny handroso anefa isika raha mbola izany no toetsaintsika”, hoy izy.
Niompana amin’ny fitsinjaram-pahefana ny famelabelarana tamin’izany ka maro ireo liana. Narahina adihevitra rahateo ny fihaonana. Nanteriny fa ho sarotra ny hampandroso ny firenena raha mbola tsy hampiharina ny fitsinjaram-pahefana. Efa voalazan’ny lalàna velona anefa izany, araka ny nambarany.
Nampitandrina ireo olom-boatendry manao fa­namparam-pahefana sy na­nao ramatahora ireo mpikambana MMM nikarakara izao fihaonana izao koa ny tenany. “Avelao haneho hevitra malalaka ny vahoaka fa tsy anareo irery akory i Ma­dagasikara. Tsy azo ekena ny tsindry sy ny fanamparam-pahefana ary koa ny fandikan-dalàna”, hoy izy. No­tsin­driny fa natao hitondrana firenena ny politika ary intsinjovana ny besinimaro.

Tsy mifanavakavaka

Tsy politika ho an’ny ady seza na fiarovana seza fa resaka politika natao hohenoin’ny vahoaka. Nanteriny fa mila mihaino sy mahalala ny politika itondrana ny firenena rahateo ny rehetra, araka ny nambarany. Nota­kin’ny MMM ny hananana fahamendrehana amin’ny lafiny maro ho an’ny fanorenana ny ampitso. “Malagasy Miara-Miainga isika fa tsy mahazo Malagasy mifanavakavaka. Manan-kasina loatra ny fitsipi-pitondran-tena”, hoy ihany izy.
Nanararaotra naneho ny olany sy ny hetahetany ireo vahoaka. Anisan’izany ny ha­ratsian’ny lalana, ny tsy fandriampahalemana…
Tsiahivina fa niatrika izany ireo mpikambana MMM any an-toerana sy ireo olobe ary fikambanana sy olom-pirenena tsotra.

Synèse R.

Partager sur: