Nitondra fanazavana, omaly, ny sekretera jeneralin’ ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Ravoavinorosoa Léa, mikasika ilay tetikasa “Titra iray, trano iray”. Nambarany fa fandaharanasa ho fanomezana trano fonenana ho an’ny Malagasy rehetra ny OTOH (One title, one housing). Fampirisihana ny olona hanorina trano sy hanana tany ho azy tenany.
Mijery toerana ny fitondram-panjakana hanaovana tetikasa hanitarana ny tanàna. Tsinjaraina ho an’ny olona io, ka izay mahatsangana trano ao anatin’ny herintaona no hahazo maimaimpoana ny tany ary soratana aminy.
Manaraka ny rafitra efa vonona avy amin’ny fanjakana ny trano aorina. Efa apetraky ny fitondram-panjakana ny fotodrafitrasa fototra rehetra toy ny rano sy ny jiro ary ny filana hafa ka misarika izany sisa ny isan-tokantrano.
Ny olon-tsotra, miohatra ny 22 taona no afaka misitraka ny tetikasa “Titra iray, trano iray”. Ireo olona avy ao amin’ny faritra ihany anefa no afaka misitraka izany.
Hisy ny fisoratana anarana sy ny fampahafantarana ka misokatra ho an’ny rehetra izany, indrindra ireo tena tsy mbola manana trano mihitsy, atao ny fisarihana avy eo.
Efa nisokatra herinandro ny fisoratana anarana tao Antsirabe Ivohitra. Ahitana zanatany 150 hozaraina ao. Ho an’ ny kaominina Tsiafahy izay efa nahavitana ny fisoratana anarana dia misy zanatany 95. Any Fenoarivo Atsinanana ahitana zanatany 80, ao Antsiranana misy 65 ary ny eny amin’ny tanàna vaovao, misy zanatany maherin’ny 800 isa.
Mbola mitohy mitady tany ny fanjakana hahafahana manorina sy mampanana tany sy trano ny Malagasy.
Tatiana A




