Asa fanasoavana : hizara kanto ny Bandy Baraka Big Band

Fampiarahan-talenta ma­ha­liana hatrany ! Ireo izay nahita na an-dalambe na anaty efitrano, dia samy niaiky ny fahaizan’ireo mpanakanto mi­vondrona ao anatin’ny Bandy Baraka Big Band. Mpana­kan­to mpiangaly karazan-javamaneno tsofina maromaro, ankoatra ireo zavamaneno mahazatra ireto navondron’i Seta Ramaroson anatin’ny Bandy Baraka Big Band ireto. Hisy mantsy ny seho izay hotontosain’izy ireo, ny zoma 28 avrily ho avy izao, ma­nom­boka amin’ny 7 ora sy sasany, etsy amin’ny Ibis Ankorondrano. Fanokafana sahady ny « Jazz Day » izy io, ary mbola hetsika fanampiana ny mpiara-belona hatrany. Hiaraka an-tsehatra amin’ny Bandy Baraka Big Band ry Steph Rambi, Joëlle Claude ary i Sandrine Rajaofetra .
Natao ho fitadiavam-bola hanampiana ny fikambanana Tsiloafo mantsy izany. Misa­hana ny fampidirana an-tsekoly ireo mpianatra ao amin’ny EPP Tsarafandry Antsira­be izy ireo, ka hividianana fitaovam-pianarana ho an’ny mpi­anatra sy hanampiana ireo ray aman-dreny amin’ny fitadiavam-bolany ny vola voaangona.

Zo ny Aina

Partager sur: