15 taona niasana teto Madagasikara ny Jhpiego, fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamam-bahoaka, miara-miasa amin’ny Universite Johns Hopkins, oniversite lehibe maneran-tany. Mifototra hatrany amin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny asa sahanin’izy ireo, anatin’ny firenena155 ka anisany ny eto amintsika. Mitondra paikady vaovao hisorohana ny fahafatesan’ny reny sy ny fianakaviana ny […]
Mois : avril 2023
Oniversite Ankatso: haverina ny hetsika ara-kolontsaina
Mikarakara hetsika ara-javakanto ho an’ny rehetra ny mpianatra mpikambana ao anatin’ny Association des Médiathèques Culturelles na ADMC eny Ankatso. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny hetsika ara-koltoraly eny amin’ny Oniversiten’Ankatso sy fampirisihana ny mpianatra eny hirotsaka eo amin’izany sehatra izany. Efa nisy ny hetsika natao ny alarobia lasa teo hisarihana ireo […]
A.Edi. M : Andiany faha-17 ny « Tsenam-boky »
«Ampitao amin’ny taranaka ny fahalalana. Vakio ny boky». Io ny lohahevitry ny «Tsenam-boky», andiany faha-17. Hetsika karakarain’ny «Association des Editeurs de Madagascar» (A.Edi.M), ny 17 avrily ka hatramin’ny 21 avrily izao, eo amin’ny zaridaina Ortana Antaninarenina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny lalana sy fanentanana momba ny tontolon’ny boky. Tafatafa amin’ny […]
Alahady faha-3 : sokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny sehatra
Isaky ny alahady faha-3 ao anatin’ny volana iray, mihaona sy manome sehatra ny mpitia jazz ry zareo ao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Hotanterahina rahampitso, ao amin’ ny Cercle Germano-Malagasy/Goethe-Zentrum, tohatohabaton’Antaninarenina izany ho an’ity volana avrily ity. Hosokafan’izy ireo ho an’ny talenta vao sy ireo liana amin’ny jazz ny sehatra. Fifampizarana, […]
Tarika AmbondronA : hisaotra sy hiara-paly amin’ny mpankafy etsy Analakely
Fampisehoana fiarahana mifaly noho izay 20 taona niarahana izay no atolotry ny tarika AmbondronA ho an’ny mpankafy azy. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fanatanterahana izany. Tontosa omaly, tao amin’ ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahana tamin’ny solontenan’ny tarika AmbondronA sy ny tomponandraikitra […]




