Mois : avril 2023

Fadintserana malagasy : sivanina ireo entana manimba tontolo iainana

Hojerena akaiky ireo entana miditra sy mivoakan’i Madagasikara. Hofan­tarina ireo akora simika “hydro chlorofluorocarbure” (HCFC) manimba ny sosona “ozone” sy ny olombelona. Hahafehy izany ny fampiasana ireo fitaovana manokana entina hamantarana ireo akora simika anaty fitaovana mandeha amin’ny herinaratra. Ireo no tanjona napetraka ho an’ireo mpiasa 27 nanaraka fiofanana etsy […]

Hanatsarana ny fahaiza-manao: 1093 ireo mpanao asa tanana voaofana tamin’ny atrikasa INP

Manodidina ny 1093 ireo mpanao asatanana voaofana ta­min’ny atrikasa “Intérêt Na­tional Prioritaire” (INP). Avy amin’ny orinasa THA (Textile- Habillements et Accessoires) sy mpanao asatanana maro samihafa izy ireo. Tanjona ny hahafahana mampandroso ny kalitaon’ny asatanana sy hampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo. Niompana betsaka tamin’ny asatanana misehatra amin’ny asa fandokoana natoraly toy […]

Salon « International tourism fair Madagascar » : hametraka ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena

Hampiakatra indray ny tahan’ny mpizahatany sy hampiroborobo ity sehatra ity. Io ny tanjona hapetraka mandritra ny hetsika “International tourism fair Madagascar”, ny 15 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao. Manana vina ny hampiakatra ny isan’ny mpizahatany, toy ny mialohan’ny taona 2019. Io no tanjona napetraky ny Offi­ce national du […]

Tsy fandriampahalemana : nidina nanao fisafoana ireo minisitra

Taorian’ny dinika notanterahin’ireo minisitra telo misahana ny fandriampahalemana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo, nitohy ta­min’ny fidinana teny an-kianja indray izany ny alakamisy alina teo. Fidinana mifanindry amin’ny toromarika voaray momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana ma­nerana ny Nosy. Araka izany, nanara-maso ireo fisafoana misandrahaka eran’Antana­na­rivo ireto tomponandraikitra ireto. Nitarika izany fidinana izany […]

Taranja Surf : Malagasy roa hiofana any Dakar

Malagasy roa, mpiangaly ny taranja Surf (taranja lalaovina eny amin’ny onjan-dranomasina), hanaraka fiofanana any Dakar, ny 22 hatramin’ny 29 avrily izao. Taorian’ny fandraisan’i Madagasikara anjara ta­min’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, taranja Surf, hiatrika fiofanana any Dakar indray ny Malagasy. Fiofanana natokana ho an’ny latsaky ny 18 taona, ka solontena […]