Mois : avril 2023

Fanitsiana ny “code minier” : vahaolana sy fanamby avy amin’ny fanjakana

Nasiana fanitsiana ny lalàn’ny « code minier » taorian’ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny talata teo. “Mikasa ny hametraka rafitra ara-dalàna mba hahatonga ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ho fanohitry ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara ny fitondram-panjakana malagasy”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra hatrany. Notsipihiny fa ny fanitsiana ny […]

Misondro-bidy hatrany: tafakatra 4.100 Ar ny kilaon’ny vary gasy

Tao anatin’ny tapa-bolana, indroa niakatra sahady ny vidim-bary. Teo aloha raha 4.000Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, misy sahady ireo mivarotra izany ho 4.100 Ar ny vary mena. Tao anatin’ny herinandro vitsy, tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto amintsika. Ankehitriny, tafakatra 4.100Ar ny kilaon’ny vary gasy mena “Tsy mbola midina ny […]

Fahasalamam-bahoaka : distrika sivy hahazo “scanner”

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny ala-robia lasa teo, ny fanam­boa­rana ny tetibola anatin’ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Hisy ampahany halefa amin’ny fampitaovana ireo «scanners» sivy homena an’i Maroantsetra, Mandri­tsara, Fenoarivo Atsinanana, Morondava, Taolagnaro, Nosy-Be, Manakara, Sam­bava ary Ambatondrazaka. Hisy koa ampaham-bola hatokana amin’ny fanamboarana sy fiarovana ireo toe­rana hametrahana “scanners” any Fenoarivo […]

Fiaraha-miasa : kaominina mpirahavavy i Linden sy Andoharanofotsy

Natao ny alarobia teo ny sonia fifanarahana amin’ny maha mpirahavavy ny kaominina Andoharanofotsy tarihin’ny ben’ny Tanàna Rakotoarimanana Henin­tsoa, sy ny kaominina Linden any Nex Jersey, tarihin’ny ben’ny Tanàna Derek Arms­tead. Tamin’ny 16 marsa lasa teo no nankatoavin’ny ben’ ny Tanàna roa tonta io fiaraha-miasa iraisam-pirenena io. Hanomboka tsy ho ela […]

Nanamafy fahaiza-manao ny mpikaroka : nifampizarana ny lalàna hiarovana ny voka-pikarohana

Nanamafy fahaiza-manao ireo mpikaroka ao amin’ny Insitut malagasy des vaccins vétérinaires (IMVaVet) sy ny Centre national de recherche pharmaceutique (Cnarp) ta­min’ity herinandro ity tao amin’ny efitranon’ny IMVaVet. Tanjona ny hanentana sy hanamafy fahalalana ho an’ ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy, momba ny fananana indostrialy, amin’ny lafiny haivao teknolojika sy […]