Mois : avril 2023

Kaominina Ivato: miandrandra fotodrafitrasa ny mponina

Nitondra teny fampirisihana ny fitondram-panja­kana, omaly, ny ben’ny Ta­nànan’Ivato, Randrianarisoa Penjy, ny hanatanterahana ireo asa efa nampanante­naina ary andrasan’ny va­hoaka fatratra dia ny fami­tana ny tranon’ny kaominina izay efa tranainy. Eo koa ny CEG izay efa nanaovan’ny filoham-pirenena fanamby. Tsy tokony hoketrahina ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana ataony fa mila […]

Olam-piainana, rarintsaina… : 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana

Manodidina ny 15 ireo tanora namono tena tao anatin’ny iray volana, araka ny tatitra navoakan’ny Observatoire de la jeunesse. Antony, ny tsy fahazakana olana, rarintsaina diso tafa­hoatra, tsy fahitana asa…. «Efa manambana ny tanora ankehitriny ny fahaketrahana ara-tsaina ka mahatonga ny famonoan-tena”, io ny nambaran’ny Observatoire de la jeunesse, omaly, […]

OMDA: voatendry ny tale vaovao

Voatendry ho talen’ny Office Malagasy du Droit d’Auteur (OMDA) Rarivojaona Joelinirina Nomenasoa. Ny didim-panjakana manendry mpiasam-panjakana, nivoaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia 12 avrily 2023 teo, no mametraka azy eo amin’izany toerana izany. Izy, araka izany, no mandimby an-dRanjarivo Haja. Manam-pahaizana manokana momba ny lalàna ity tale […]

Slam – Fiadiana ny tompondaka eran-tany : “Vonona ny hanome ny tsara indrindra aho”, hoy i Hichim

Hotanterahina any Paris, Frantsa, ny 15 hatramin’ny 20 mey 2023, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny “Slam Poèsie”. Mi­solo tena ny Malagasy amin’ izany i Abdoul Anlim Abdil­lah, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Hi­chim. Efa vonona tanteraka ity solontena malagasy ity. “Tsy ataoko mahakivy ahy izay mpandray […]

Fahatsiarovana an’i Mme Zo: anaty fanomanana ny mpikarakara

Mpahay kanto, nitondra avo ny haikanto malagasy teo amin’ny sehatry ny fanenomana i Mme Zo. Natao izao hetsika fahatsiarovana azy izao ho fampahafantarana ny sanganasany sy ho fahatsiarovana azy. Hotanterahina ny 28 ha­tramin’ny 30 avrily 2023, eny amin’ny toerana vaovaon’ny Fondation H, eny Ambato­mena, ny fampirantiana “Bientôt, je vous tisse […]