Nihaona tamin’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny lavanila ny filoha Rajoelina Andry, omaly, tao Sambava. Nivoitra tamin’izany ireo fepetra sy ny fijerena manokana ireo tantsaha, mba hahazoan’izy ireo tombony. Nitafa mivantana tamin’ ireo rehetra tafiditra amin’ny seha-pihariana lavanila ny Filoha sy ny Praiminisitra. Nohenoina avokoa ireo hetaheta sy olana ho […]
Mois : avril 2023
Talatamaty : 5 lahy tratra nangalatra moto
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, omaly, ireo dimy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nikasa hivarotra moto tsy misy taratasy teny amin’iny faritra Talatamaty iny ry zalahy. Efa nahazo angom-baovao mialoha anefa ny zandary ka nametraka ny paikady rehetra hahafahana […]
Nandriaka ny ra… : raim-pianakaviana maty voahitsaky ny kamiaobe nitondra vato
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona indray tao Antanandava-Toamasina, sampanana mivily mankany amin’ny Lycée faharoa, omaly. Raim-pianakaviana iray nandeha bisikileta nipoitra avy any amin’ny sampanan-dalana handray ny RN2 no maty voatrongin’ny kamiaobe mpitatitra fasika sy vato. Nandriaka eran’ny arabe ny ra, niforitra mihitsy ilay bisikileta nandehanany. Efa ao amin’ny fokontany 11/58 Ankirihiry ny […]
Fivadiham-pitokisana : mpifankatia nangalatra vola 20 tapitrisa Ar
Nalain’ny mpanampy an-trano an-tsokosoko ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy teo aloha, tetsy Soamanandrariny, ary nangalariny ny vola 20 tapitrisa Ar ny alatsinain’ny Paska lasa teo. Nilaza hanambady ity tovovavy mpanampy ity ka niala tao amin’io trano niasany io ny janoary teo. Nentin’ny fahatokisana, tsy nanova ny fitoeran’ny fanalahidin’ny trano ireo […]
Fandriampahalemana : hamongotra ny asan-jiolahy ny hetsika « Tselatra »
Nosantarina ao amin’ireo ZDS dimy voasokajy ho faritra mena ny hetsika “Tselatra” ataon’ny Tafika, anatin’ny volana maromaro. Sorohana anatin’io fotoana io ny tranga tsy fandriampahalemana rehetra hahafahan’ny vahoaka mivelona am-pilaminana. Nanomboka roa herinandro, am-perinasa ary hamongotra ny jiolahy sy ireo manohintohina ny fandriampahalemana ny hetsika “Tselatra” ataon’ny eo anivon’ny Tafika, […]




