Mois : avril 2023

Tsingerin-taona fahadimy: nanadio tanàna ny Hiaraka isika tao Toliara

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fahadimy taonan’ny antoko Hiaraka isi­ka ny hetsika fanaovana asa sosialy. Anisan’izany ny nanatanterahana ny “Tagnamaro – fafa faobe” sy ny fandokoa , nataon’izy ireo teo amin’ny lalana “Ambroise Vital”, miainga avy eo amin’ny zandarimaria Sanfily mankany amin’ny lalana mihazo ny Jira­ma. Nitarika izany ny filoha nasionalin’ny […]

Mihava Tour tany Andapa : nihaino ny olan’ny vahoaka ny depiote Siteny

Nihaino ny feon’ireo vahoakan’ny faritra Sava koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny amin’ny alalan’ilay hetsika « Mihava Tour ». Tany Andapa izy ireo, omaly, niaraka amin’ireo depiote maromaro. Notanisain’ireo olona nitafa mivantana taminy ny olana eo amin’ny lavanila, ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana, ny fihanaky ny kolikoly. “Aza ampanantenana ny tsy ho vita […]

Depiote Razakandrainy: “Mila mitandrina isika”

“Raha isika no hampitovy ny demokrasia aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy ny demokrasia any amin’ny firenen-dehibe efa lasa lavitra amin’ny fandrosoana, handeha ila ihany ny fomba fijery. Mbola marefo ny demokrasia eto amintsika, ary mila fitandremana ny fampiasana an’izay tena hoe demokrasia izay.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Sakaraha, […]

Cua – Asa sosialy : ankizy 318 tsy manan-kialofana nizarana sakafo mafana

Nizarana sakafo mafana ireo ankizy 318 tsy manan-kialofana ao amin’ny ivontoerana Madcap Isotry sy Seba Antohomadinika, omaly. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominin Antananarivo Renivohitra sy ny minisite­ran’ny Mponina ary ny Léo Club Antananarivo Ravinala, nahafahana nanao ny hetsika. Tanjona ny hanampiana sy hikarakarana ireo ankizy tsy manan-kialofana ireo, raha […]

Mila voatsiary!

Resabe tao amin’ny tambajotran-tserasera ny mikasika ny famoahana pasipaoro eny amin’ny polisim-pirenena Anosy. Nitombo ny fepetra sy ny antontan-taratasy ilaina mba ahafa­hana misitraka izany. Nitondra fanambarana miezinezina mihitsy ny tomponandraikitra voalohany, lehiben’ny sampandrahara­han’ny fanaovana pasipaoro. Fanazavana izay niteraka fana­kianana mavaivay, indrindra amin’ny voalazan’ireo mpitsikera sy mpanao fanamarihana fa tsy fahafehezana […]