Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Paska izao ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ireo nanamarika an’i Jesoa sy ireo manodidina azy toy ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny mahazatra amin’ny fety kristianina lehibe, toy ny paska dia nitondra ny hafatra ho an’ny mpino ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa […]
Mois : avril 2023
Filoha Rajoelina sy ny filoha Isaac Herzog : hanohana ny angovo sy ny teknolojia ny israelianina
Nanao fivahinianana masina tany Israely ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny vady aman-janany, nandritra ny fetin’ny Paska. Nohararaotiny tamin’izany ny fihaonana tamin’ny filoha israelianina, Isaac Herzog. “Mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Niompanan’ny dinika nifanaovana ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny teknolojia, indrindra ny momba […]
Fandriampahalemana… mahafaoka be sy marolafy
Mby aiza ny sosialim-bahoaka amin’izao? Hoe hatao laharam-pahamehana, vaindohan-draharaha, imasoana… Efa mba misy fihatsarana hatrany ifotony ve, ohatra, ny fiainam-bahoaka? Amin’ity hoe tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny fampandrosoana mivantana ny firenena ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka, izay maika sy lehibe fa antom-pisian’ny fitondram-panjakana. Ny mpitondra no manjaka dia ny […]
Velam-pandriky ny jiolahy : voatifitra i Djaffar, zandary iray naratra
Vita hatreo ny tantaran’i Djaffar, raindahiny amin’ny fakana an-keriny. Voatifitra teo amin’ ny lohany izy, tamin’ny zoma alina. Nieren-doza ny zandary iray, naratra ny tanany Nirefodrefotra ny basy tamin’ny zoma faha 7 avrily. Rotiky ny bala teo amin’ny lohany i Djaffar, ilay jiolahy raindahiny amin’ ny fakana an-keriny teto Madagasikara. […]
Avotra ireo mpanamory : fiaramanidina iray tafapetraka teny an-tanimbary
Fiaramanidina kely no nianjera teny an-tanimbary, tao Ambalika, kaominina Betsako, distrikan’i Mahajanga II, faritra Boeny, ny sabotsy tolakandro teo, tamin’ny 1 ora sy 30 mn. Voatery nidina haingana namonjy izay toerana malalaka afaka hijanonany ny mpanamorin’ilay fiaramanidina kely satria tratran’ny olana ara-tekinika tampoka teny am-panidinana, araka ny tatitra nampitain’ny zandary. […]




