Mois : avril 2023

Zanakazo 1 000 voavoly : namita adidy ny ben’ny Tanàna sy fikambanana maro

Niara-nisalahy namboly zanakazo 1 000 fototra, teny Andohatapenaka, oma­ly, ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Nai­na sy ireo fikambanana maro toy ny FMF, ny Mazava loha, fikambanan’ny mpivarotra sy ireo mpanao fanatanjahantena… Ta­fiditra ao anatin’ny velira­non’Iarivo ny fambolena zanakazo, hananana tontolo maitso sy mahafinaritra. Anisan’izany ny fampirisihana ny mponina amin’ny fambolen-kazo toy […]

Tetikasa “Lalankely 3”: ho fampandrosoana sy fanatsarana ny tanàna

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 6 Avrily 2023, ireo asa vita tao anatin’ny tetikasa “Lalankely 3”. Fotodrafitra­sa 1000 mahery no nokasaina ho tanterahina tamin’izany. Ny 80% tamin’ireo no vita ka izao tokanana sy atolotra ho ampiasain’ny mponina izao. Ankoatran’ny kao­minina Antananarivo Reni­vohitra. Misitraka ity tetikasa ity ihany koa ny kaominina […]

Andron’ny fahasalamana: zava-doza ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ny hetsika momba ny ady amin’ny fifohana zava-mahadomelina tetsy amin’ny Tranompokonolona , nandritra ny telo andro. Nifarimbona ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny Ofnalat sy ny Saf Ocean Indien nanao ny hetsika. Hatry ny talata teo no […]

Onjampeo: telo taona ny Iarivo Radio

Tonga nanamarika ny fankalazana ny fahatelo taonan’ Iarivo Radio, teny Tsimbazaza ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsito­haina, omaly. Ny taona 2020 no niverina nisokatra ny Radio an’Iarivo fa efa nisy ity onjampeo ity tamin’ny fitantanana teo aloha nifandimby. Nosokafana indray ny onjampeo hifaneraseran’ny mpitanta­nan’ An­tananarivo sy ny mponina amin’ny tsara ho […]

Rakotondrazanany Stacy, « psychologue »: “Miainga ao an-tokantrano ny fikojana ny fahasalaman’ny saina”

Tokony ho laharam-pahamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny fahasalaman’ny saina. Lohahevitra tsy resahana matetika nefa mahakasika olona maro eto amintsika ny fikorontanan’ny saina, ny fahakivian-tsaina tanteraka (dépression) ary ny rarin-tsaina (stress), hoy ny psychologue sady mpanolontsaina teknika momba ny fahasalaman’ny saina eo anivon’ny ONG Humanité £ Inclusion (HI), Rakotondrazanany Stacy, rehefa […]