Zanakazo 1 000 voavoly : namita adidy ny ben’ny Tanàna sy fikambanana maro

Niara-nisalahy namboly zanakazo 1 000 fototra, teny Andohatapenaka, oma­ly, ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Nai­na sy ireo fikambanana maro toy ny FMF, ny Mazava loha, fikambanan’ny mpivarotra sy ireo mpanao fanatanjahantena… Ta­fiditra ao anatin’ny velira­non’Iarivo ny fambolena zanakazo, hananana tontolo maitso sy mahafinaritra. Anisan’izany ny fampirisihana ny mponina amin’ny fambolen-kazo toy izao. Nahatsapa ireto fikambanana ireto fa manana andraikitra amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny tanànan’Antananarivo no nahatonga azy ireo hamboly hazo.

Ankoatra izay, nanamafy ny fanohanana ny ben’ny Tanàna izy ireo. Mandray andraikitra amin’ny fanatanterahana ny velirano napetraky ny ben’ny Tanàna amin’ny fa­merenana ny “Antana­narivo maitso” ny fikambanana.

Partager sur: