Mois : avril 2023

Varotra anatiny : ferana ny lalan’ny fitsinjarana voka-bary eto an-toerana

Nandray fepetra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, afakomaly. Mba hijerena vahaolana sy lalan­tsaina manoloana ny vidim-bary amin’ny fotoan’ny mai­tsoahitra sy fahavaratra. Voa­lohany, ferana ny lalan’ny fi­tsinjarana ny voka-bary eny Imerintsiatosika mankaty An­tananarivo. Eo koa ny hije­rena ny fitsinjarana izany, miainga avy eny amin’ny tantsaha […]

CT Motors : miavaka ny Kawasaki ZX10

Miakatra hatrany ny lentan’ny kalitao eo amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ho an’ny orinasa CT Motors. Nampa­hafantarin’izy ireo ny marika Kawasaki ZX 10 tetsy An­draharo, ny sabotsy 1 avrily teo. Anisan’ny hiaka farany ity karazana moto ity. Manana tanjaka hatramin’ny 203 Ch. “Mahafa-po mihoatra ireo Kawasaki nivoaka tany aloha ity ZX 10 […]

ONE : manan-kery ny fahazoan-dalan’ny Base Toliara

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena mikasika ny tontolo iainana (ONE), Rakotoson Rija, ny ben’ny Tanànan’ Ankilimalinike, Toliara II, Mahatoro Longin, ny alakamisy lasa teo. Voakasik’izany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana (EIE), efa azon’ny orinasa. Notaterin’ny ben’ny Ta­nàna, Mahatoro Lon­gin, ny tena zava-misy any an-toerana amin’izao fotoana izao, misy ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa […]

Fandaharanasa SSH : hamatsy vola ireo fikambanana sy ONG

Hatramin’ny 31 mey izao ny fanaterana ny antontan-taratasy hahafahana mifaninana amin’ny fangatahana fa­matsiam-bola, amin’ny ala­lan’ny fandaharanasa “Am­bassador’s Special Self Help Small Grants Program” (SSH). Iantsoan’ny masoivoho amerikanina ny fahavitri­han’ireo fikambanana sy ONG mijoro ara-panjakana sy ara-dalàna eto Madagasikara sy any amin’ny Nosy Co­mores izany. Tanjona ny hanohanana ara-bola ireo tetikasa […]

Distrikan’Avaradrano : tobim-pahasalamana 6 voahosotra ho sakaizan’ny Wash

Notanterahina teny amin’ny CHRD Anosy Avaratra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo tobim-pahasalamana mendrika amin’ny sehatry ny fahadiovana, ny faran’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fanajana ny fahadiovana sy fidiovana izany ny tobim-pahasalamana 6 ao amin’ny distrikan’Avaradrano ka anisan’ireo filamatra sy maodely. Anisan’ny nahafeno ny fepetra nahafahana nanasokajy […]