Mois : avril 2023

Orange Pro League: tafita sahady amin’ny « Playoff » ny Fosa Jr

Fosa Junior no ekipa voalohany tafita avy hatrany hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”, taranja baolina kitra, taom-pilalaovana 2022-2023. Ma­nana isa 28 ao amin’ny kaonferansy avaratra izy ireo. Lavon-dry Dax sy Jean Yves, mpilalaon’ny Fosa Jr, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC), nandritra […]

Rugby vehivavy – «Challenger series 2023»: Makis 13 mirahavavy manafika atsy Afrika Atsimo

Anisan’ireo firenena 12 hiatrika ny World rugby sevens challenger series, ho an’ny baolina lavalava vehivavy, ny Makis de Madagascar. Hiady izay ho lohany, hiatrehana ny “circuits mondiaux”, izy ireo amin’ity. Nanainga omaly alahady, nihazo an’i Cape Town, Afrika Atsimo ny Makis vehivavy, hiatrika ny fiadiana ny “World rugby sevens challenger […]

Seho fankalazana ny faha-90 taona: mbola mitana tsara i Henry Ratsimbazafy !

Niaiky azy ny rehetra… 90 taona, fa mbola mahazaka sehatra tsara i Henry Ratsimbazafy. Nandona ny fon’ny mpankafy indray ny nahita azy an-tsehatra, omaly… Fampisehoana nanjakan’ny fihetseham-po tanteraka. Ny fahitana an’i Henry Ratsimbazafy nijoro teo amin’ny sehatry ny CCEsca Antanimena fotsiny, dia efa nampihoraka ireo mpankafy nameno ny trano. Hatramin’ny […]

Otrikafo momba ny fifidianana : “Mila hifampidinihana izay mampiady hevitra”

“Mbola resabe amin’izao ny amin’ny fanomanana ny fifidianana. Tonga hatramin’ny adihevitra hoe mety hi­sian’izany na tsia. Tsy misakana ny hisian’ny fifidianana na tsia izahay, tsy hahasakana an’izany rahateo”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia. Miezaka tsy hikitika ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana, fa io no irosoana any amin’ny fifidia­nana. Nefa […]

Fifidianana ; miantso ny HCC ny RDS

“Manasa ny HCC hifampiresaka amin’ny mpisehatra amin’ny fifidianana mba hahazoana mamantatra ny hetahetan’izy ireo, hananany toky fa fijery ara-drariny amin’ny fanapahan-kevitra raisiny no ataony ao anatin’ny asa sahaniny”, hoy ny Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison. Tokony hanazava ny an­draikiny amin’ny fifidianana koa ny HCC. […]