Mois : avril 2023

Fandrarana hetsika ankalamanjana: nohelohin’ny MMM ny fanambaran’ ny minisitra Tokely

Tsy niandry ela fa nitondra valin-kafatra manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, ny 31 marsa teo, ny antoko Malagasy miara-miainga. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo tamin’izany. Nasongadin’ny fanambaran’ny MMM fa tsy afaka ny hangina izy ireo amin’ny fepetra fandrarana ireo hetsika ara-politika atao ankalamanjana […]

Fiatrehana fifidianana : miantso fampitsaharana herisetra ny FFKM

“Mahatsapa ny FFKM fa mitombo ny fifampihantsiana. Koa manamafy ny antso efa nataony ny FFKM hitandroana hatrany ny fiadanana sy ny fandriampahalemana ary ny fihavanana ka hampitsaharana ny herisetra amin’ny endriny rehetra.” Io ny fa­nambaran’ny FFKM, novakin’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi, tamin’ny famaranana ny fihaonambe voalohan’ny solontenan’ny faritra […]

Mila matoky tena

Izay fantatra, hono, no tiana, raha tsara sy mety amin’ny tena. Izay tiana no hajaina, izay hajaina no omen-kasina, izay omen-kasina no mahasaro-piaro, izay mahasaro-piaro no tandrovina toy ny anakandriamaso… Mby aiza? Manomboka eo amin’ny tsirairay aloha. Tena mahalala tena ve? Kibo mitsara tena ny tsirairay: iza izy, hanao inona, […]

Nivadika sady nirehitra : 7 namoy ny ainy, kila tao anaty fiara

Olona 7 niara-namoy ny ainy vokatry ny firehetan’ny taksiborosy mampitohy an’ Ambovombe sy Taolagnaro, afakomaly tamin’ny 11 ora atoandro. Nitondra mpandeha miisa 24 ity fiara mpitatitr’olona ity. Niva­rina tampoka teo amin’ny fiolanana mivoaka 1 km ny fo­kontany Bevilany mi­hazo an’Ambovombe Androy izy ireo. Samy nanavotra ny ainy, araka izany, ireo mpandeha. […]

Ampefiloha : mpirahalahy tratra teo am-pitsindronana zava-mahadomelina

Voasambotry ny polisy teo Ampefiloha noho ny fitsindronana zava-mahadomelina ma­hery vaika ny tovolahy roa (mpirahalahy). Teo akaikin’ny tranony ihany izy roa lahy no tratran’ny polisy niaraka tamin’ireo zava-mahadomelina. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny fitaovana fampiasany amin’izany. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny fisian’ireo roa lahy mitarika tsy fandriampahalemana eny an-toerana […]