Mois : avril 2023

Festival Somaroho: hisy ny mpanakanto avy ao amin’ny Nosy manodidina

Hetsika iray anisan’ny miavaka ny “Festival Somaroho”. Hiavaka tsy sahala amin’ny nahazatra, tamin’ny andiany teo aloha, ity andiany faha-10, ho tanterahina ny volana Aogositra ity. Tontosa omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny “Festival Somaroho”. Ham­pia­vaka ity andiany ity ny maha andiany fahafolo azy. Eo ihany […]

Mihava Tour : any Mahajanga indray, anio, ny depiote Siteny

Hitohy any Mahajanga indray ny “Mihava Tour” ka hihaonan’ny depiote Randria­nasoloniaiko Siteny, amin’ny vahoaka any an-toerana. Hiara-dia aminy ireo depiote ampolony, efa niaraka taminy amin’ny fitsidiham-paritra ataony. Hihaino ny hetaheta sy ny maharary ny vahoaka any an-toerana ny tenany amin’izany. Tsiahivina fa nihazo ny tany Israely ity depiote mitarika ny […]

Ravalomanana Marc : niantso ny hijoroan’ny vahoakan’Antsohihy

Nitohy tany Antsohihy indray ny dian’ny filoha na­sionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Ni­haonany amin’ireo vahoaka any an-toerana sady nanentanany ireo olom-pirenena feno taona mba hisoratra anatin’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Ny tokony hanamarinana ny anarana sy ny mombamomba ny tena amin’izany lisitra izany. Fotoana nihainoan’ny mpanorina ny Tim ny olan’ireo […]

MMM – Fitoriana tany Fianarantsoa : “Mifanohitra amin’ny lalàna momba ny HCC ny didy”

Nivaly, afakomaly ny fitorian’ny antoko Malagasy mi­ara-miainga nanoherana ny fandrarana hanao hetsika politika. Nitondra fanazavana momba izany didim-pitsarana izany ny birao politika, ny Me Rakotomalala Rija. “Mampa­metra-panontaniana ny mom­ba ny fampiharana io didim-pitsarana io. Hita tsotra izao fa mifanohitra amin’ny La­làmpano­re­­nana, lalàna fototra iorenan’ny Repbolika. Mifano­hitra amin’ny lalàna momba ny […]

Famerenan-kasina ny firenena sy ny vahoaka: hivory sy haka fanapahan-kevitra ireo oloben’ny foko

Hifamotoana eny amin’ny Fifakri Ilafy, manomboka ny 2 hatramin’ny 5 mey izao, ireo olobe avy amin’ireo foko manerana ny Nosy. Handinika ny raharaham-pirenena izy ireo amin’izany ary haka fanapahan-kevitra. Anisan’ny hiompanan’ny dinika ny hananganana ny Antenimi­eran’ny foko. Nambaran’ny mpikarakara, Rakotondrasoa Noel fa tsy tompon-tanindrazana sy tsy manan-jo amin’ny taniny intsony […]