Mois : avril 2023

Fivahinianana tany ivelany: naka traikefa tany Israely i Siteny

Noraisin’ny Praiminisitra Israelianina, i Benyamin Netanyahou ny filoha mpanorina ny Mihava Tour sady depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. Notanterahina ny fa­ran’ny herinandro tany an-toerana izany. Anisan’ny voaresaky ny roa tonta ny fiainam-pirenena sy ny fifandraisana eo amin’i Israely sy i Madagasikara. Teo koa anefa ny dinika momba ny fananganana fotodrafitrasa, anisan’ny tena […]

Namearison Robert : «Ilaina ny fitoviana sy ny fahazoana maneho hevitra»

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Anisan’ny nambarany ny momba ilay fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany. “Ilaina ny fametrahana ny fitoviana sy ny fa­hazoana maneho he­vitra. Satria hatramin’izao tsy mbola misy kandidà. Ny loza aza, tsy ny resaka politika ihany no andrarana […]

Sarinady Ivondro: miaramila 1 000 hanamafy ny fahaiza-manaony

Manodidina ny 1 000 ireo miaramila mandray anjara anatin’ny sarinady Ivondro 2023, izay hatao ao amin’ny faritra Atsinanana, manom­boka ny 28 avrily izao. Hi­santatra ity sarinady ity ny filatsahana an’elonaina ha­taon’ny Tafika avy anaty fiaramanidina ao Toamasina Renivohitra. “Tsy manakana ny besinimaro tsy hijery ny sarinady izany saingy iangaviana tsy […]

Mifamahofaho

Tsy hita beny ihany ity raharaham-pirenena ity ! Fanina ny mpitazana mijery ny fihetsiketsehana teknika sy politikan’ny mpikirakira izany. Mifaninana amin’ny famoriam-bahoaka mandritra ny fitetezam-paritra. Manginy fotsiny ny fitetezana ireo firenena tombanana ho manana fahefana amin’ny fifehezana ny jeopolitika iraisam-pirenena. Samy mampidera fa manana ny holaniana, hisehosehoana etsy sy eroa. […]

67 ha Atsimo: nirefotra ny basy, jiolahy iray maty voatifitra

Teo am-pikasana hanao fanafihana mitam-piadiana, lavon’ny polisy ny jiolahy iray tetsy 67 ha Atsimo, omaly atoandro. Tafaporitsaka ny namany iray hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy 67 ha Atsimo akaikin’ny parking, omaly atoandro. Jiolahy roa nitondra basy no nifanenje­han’ny mpitandro filaminana. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso, nitondra moto fotsy ireto olon-dratsy ireto. […]