Ravan’ny polisy tao Tsarahonena, afakomaly, ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo vaky trano. Voalazan’ny polisy fa ry zalahy ireto no tompon’antoka amin’ny fanendahana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Miezaka mamerina ny fandriampahalemana ireo polisy ka miasa andro aman’alina, izao nahitam-bokany izao izany. Naharay antso avy amin’ny tompon-trano niharan’ny asa ratsy ny polisin’ny […]
Mois : avril 2023
Tambajotra goavana: olona 10 nahatrarana rongony 40 gony
Rongony milanja 703, 150 kg saron’ny zandary tao Manakara, omaly. Nahazo loharanom-baovao avy tamina tsara sitra-po, nanao fisafoana tao an-tampon-tanàna ny zandary ao an-toerana izay tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, ny kapiteny Rakotomalala Judicaël. Tra-tehaka tao an-drenivohitra ny ampahany tamin’ireo zava-mahadomelina ireo. Nofongarina tany amin’ny kaominina hafa toy ny Sahasinaka, Lokomby, […]
Nangata-bola dia tsy nahazo… : nokapainy tamin’ny antsibe ny tanan-dreniny
Tena efa biby mihitsy! Ifampitadiavan’ny zandary amin’izao fotoana izao ilay tovolahy nahavita nikapa ny tanan-dreniny tamin’ny antsibe tao Tsimaitohosoa Atsinanana, kaominina ambanivohitr’i Mahaditra, distrikan’i Vohibato, afakomaly hariva , tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Tapaka mihitsy ny tanan’ity renim-pianakaviana ity noho ny herisetra nataon-janany azy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, […]
Ankoatra ny fanafihana mitam-piadiana… : lehilahy iray tratra teo am-pivarotana cocaïne teny 67ha
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray tratra teo am-pivarotana cocaïne, teny amin’iny faritra 67 ha sy ny manodidina iny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy, ny alakamisy teo, izy. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika eto an-drenivohitra, nametraka paikady […]




