Mois : avril 2023

Taninketsa indostrialy- Tsiroanomandidy: natsangana ny ozinina mpanodina voanjo ho menaka

Tafapetraka ao Tsiroano­mandidy ny tetikasa “One district, one factory” (ODOF). Araka izany, nahazo milina fanodinana voanjo ho lasa me­naka ny distrika. Ny alakamisy teo, tonga tany an-toe­rana ny minisitry ny Fampi­roboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Raza­findravahy Edgard, nitokana izany. Tafiditra anatin’ireo ozinina miisa 75 fanodinana ny vokatra […]

Olan’ny delestazy : natsahatry ny HFF ny milina mpihary herinaratra

Mitady vahaolana hatrany ny orinasa Jirama sy ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo amin’ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro. Tsi­karitra efa mihamihena izany ho an’ny faritra sasany tao­rian’ny fitsinjarana ny solika hamokarana herinaratra. Tsy mbola mivaha tanteraka anefa izany fa mbola misy ireo faritra mampihatra izany toa ny ao Mahajanga, Nosy […]

“Pipeline Efaho”: hampandroso ny lafiny toekarena sy ny sosialim-bahoaka

Hitarika rano 15 tapitrisa metatra toratelo (m3) isan-taona amin’ny reniranon’i Efaho sy hanondraka tanim-pambolena hatramin’ny 80.000 ha ny “pipeline Efaho”. Hanova ny faritra Atsimo ity tetikasa ity ka hanome rano madio fisotro ho an’ny mponina 500.000. Voakasiky ny haintany miverimberina ny faritra atsimon’ny Nosy, izay miantraika betsaka amin’ ireo mponina […]

Natomboka tamin’ny fambolen-kazo: 15 taona ny fikambanan’ny mpanao gazety Toamasina

Nisokatra ny 21 avrily lasa teo, tamin’ny fambolena zanakazo, teo anoloan’ny Crjs sy CEG Ratsimilaho sy fitokanana tsangambato manamarika ny tsingerintaona faha-15 taona niorenan’ny fikamba­nan’ny mpanao gazety Toa­masina (A.J.T). Nitarika ny hetsika ny filohany, Sabotsy José, izay solontena maharitry ny gazety Taratra ao Toama­sina. Nisy ny fanentanana hi­tsirihan’ny olom-pirenena ny […]