Tafapetraka ao Tsiroanomandidy ny tetikasa “One district, one factory” (ODOF). Araka izany, nahazo milina fanodinana voanjo ho lasa menaka ny distrika. Ny alakamisy teo, tonga tany an-toerana ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria, ny varotra ary ny fanjifana, Razafindravahy Edgard, nitokana izany. Tafiditra anatin’ireo ozinina miisa 75 fanodinana ny vokatra eny ifotony ho lasa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ity napaetraka ity. Fantatra fa afaka manodina voanjo 400kg isan’ora ny milina. Mahavita 1500 l menaka isan’ora ihany koa izy.
Ankoatra izay, hamerina ny lazan’ny dipoavatra menan’ i Bongolava ny Antenimieran’ ny varotra sy indostria (CCI). Voalohany tamin’ny fampidirana vola vahiny ho an’ny faritra Bongolava io vokatra io. Araka izany, hatao izay hamerenana izany amin’ny toerana sahaza azy. Etsy ankilany, nanao fianianana tamin’ io fotoana io ireo mpikambana ao amin’ny CCI ao an-toerana. Hiasa mandritra ny roa taona izy ireo. Nanamafy ny minisitra fa ho masoivoho, tsy ho ato anatiny ihany fa ho masoivoho any ivelany koa ireo mpikambana maharitra ao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria ireo. Notohizany fa mila arovan’ny tantsaha ny dipoavatra mena, izany rahateo, hoy izy, ny antom-pisian’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria. “Masoivoho hanondrana sy hivarotra ny dipoavatra mena any ivelany ianareo”, hoy hatrany ny minisitra.
Henintsoa H.




