Tetikasa FYVARY : masomboly tsy voatery hampiasana zezika

Nanaovana andrana sy fanehoana ny tetikasa Fyvary ny lemak’i Volidina, fokontany Antsahatanteraka, kaominina Ankadinondry Sakay, distrika Tsiroanomandidy. Nampiasana masomboly Fyvary 85 sy Fyvary 32 ny velaran-tany maherin’ny 20 Ha sady natao vala tahaka ny nanaovana ny teknika papriz. Natao izao hanatsarana ny voka-bary eo an-toerana sy ho fiaraha-miasa amin’ny tetikasa. Taorian’izay nahazo taham-bokatra 5t/ha ny tantsaha. Niroborobo ny vokatra sady kely kokoa ny masonkarena sy fandaniana amin’ny famokarana an’ity karazam-bary vaovao ity. Kely ny fa­tran’ny masomboly ampiasaina sady tsy voatery hampiasana zezika betsaka. Fantatra fa karazam-bary vaovao ity masomboly ity. Voafantina sy voamarina izy. Ary karazam-bary mety amin’ny toetany mafana sy tany tsy dia lonaka na tsy ampy “phosphore”. Fanoitra ihany koa amin’ny fanavaozana ny seha-pamokarana, amin’ny fampiroboroboana ny voka-bary. Ankoatra izay, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-bary ny fampiharana ny teknolojian’ny asa fikarohana sy fanarahana ny teknikam-pamokarana isan-karazany ny teknika papriz.

Henintsoa Hani

Partager sur: