Faritra Atsimo : Ezahina beazina ny ankizy kere

«Tsy mbola mazoto mianatra ny ankamaroan’ny ankizy noho ny fisian’ny kere any amin’ny faritra Atsimo», hoy ny filoha mpitantana ny akany Fiadanantsoa Anketraka, To­liara II, Tsianoro Berthine, omaly. Manampy ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany an-tsekoly, ny fikambanana Malaza ny Gasy amin’ny alalan’ny “École de la chance” any an-toerana. Maro ny fotodrafitrasa efa vita sy mampiavaka ny sehatry ny fanabeazan’izy ireo, raha ny fanazavana. Voataiza ara-tsaina, sy ara-batana ary ara-panahy ireo ankizy.
Ahitana sampam-piofanana 5 hafa ankoatra ny taranja tsy maintsy hianaran’ny mpianatra (réligion, informatique, développement durable, restauration, commerce, éducation). Ankoatra izay, ny cantine hanomezana sakafo ny beazina, tafiditra anatin’ny tanjon’ny fikambanana ny hoe: “Avenir Milay”. Omena fambolena (anana sy zanakazo manga) ihany koa ny ray aman-dreny mba hamongorana ny kere any an-toerana.

Mpianatra 2 maty
Manangona rano miandrona amin’ny arabe ny mponina any an-toerana rehefa amin’ny fotoanan’ny rotsakorana ka iny no sotroina sy ampiasaina ary andrahoana sakafo, raha ny zava-misy any an-toerana. “Miteraka aretim-pivalanana ho an’ny mponina, indrindra ny ankizy, anefa izany”, hoy ny mpitsabo mpanampy ao amin’ny akany Longosoa Ampasy Toliara II, Rafarani­rina Antoinine Nadia. Hatra­min’izao, 2 ny mpianatra ma­ty teo anivon’ny Ecole de la chance, Fiadanantsoa Anke­traka, vokatry ny fisotroana rano tsy ara-pahasalamana, raha ny fanazavana. “15 km farafahakeliny miala ny tanàna vao misy rano, andoavana 1000 Ar hatramin’ny 4000 Ar ny iray bidon 20 litatra amin’ izany”, hoy ny talen’ny Aka­ny fiadanantsoa Anketraka Toliara II, Thierry Jean Dolphe.
Na dia eo aza ny ezaka ataon’ny fikambanana, manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpanao soa hatrany izy ireo. Mba hahafahana manampy ny olona tratran’ny kere. 6 ireo akany mandray an-tanana ny kere any amin’ny faritra Atsimo. 5500 ireo beazina raisana an-tanana, 2500 ny mpanabe.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: