Fitrandrahana heladrano : mampiasa zaza maherin’ny 10.000

Mampidi-doza ny fitrandrahana heladrano na mica tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Ankizy maherin’ny 10.000 no mitrandraka, ao amin’ny faritra Anosy. Misitrika any anaty lavaka ny ankizilahikely. Ma­hafaty ny fahasemporana aterak’izany noho ny tsy fahampian’ny rivotra.
Mitatitra ny vokatra ety ambony ny tovovavikely. Matetika iharan’ny fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpanangona ny vokatra. Betsaka ny ankizy lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana noho ny vovoka heladrano.
Miady amin’ny fampiasana zaza any amin’ny toeram-pitrandrahana heladrano any any atsimon’i Madagasikara ny tetikasa Madagascar Shi­nes. Mitentina 4 500 000 do­lara ny eti-manana. Toha­nan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny asa na DOL sy ny fikambanana iraisam-pirenena tsy miankiana PACT izany.
Hidina any Taolagnaro ny solontenan’ny DOL, Natalie Kosloff, ny 9 sy 10 mey izao. Hihaona amin’ireo mpisehatra ifotony, hamolavola drafitra fanaraha-maso sy fanaovana tombana ny tetikasa

Lohalaharana
Lohalaharana amin’ny fanondranana heladrano i Madagasikara. Ny 87%-n’ ny vokatra dia alefa any Sina. Ampiasain’ireo orinasa sinoa, hamokarana kojakoja mandeha amin’ny herinaratra sy kojakojam-piarakodia amidy maneran-tany.
Miaina anaty fahantrana lalina anefa ny mpamokatra heladrano eto Madagasikara. Manampy trotraka izany ireo tsindry ara-toekarena nateraky ny valanaretina Covid-19. Manginy fotsiny ny haintany lavareny, nampitotongana ny vidin’ny heladrano sy ny vola miditra amin’ny fianakaviana. Nampihena ny vokatry ny fambolena, nampiakatra ny vidin’ny sakafo sy nampitombo ny tsy fandriampahalemana izany.
Hanampy ny fianakavian’ ireo zaza mpitrandraka heladrano ny Madagascar Shines. Hisy ny tan-tsoroka amin’ny fampianarana zaza miisa 1 800 sy fanampiana ny asa fiveloman’ny olon-dehibe mii­sa 2 200.
Hanentana ny rehetra amin’ny fitrandrahana heladrano ny tetikasa ary hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpiasam-panjakana hanatsara ny fampiharana ireo fepetra fiarovana ny zaza. Hametraka fitsipi-pitondrantena eo amin’ ny sehatry ny fitrandrahana heladrano. Hampirisika ny fidiran’ny fitrandrahana heladrano amin’ny sehatra ara-dalàna, ankoatra izay, ny PACT ary hanohana ny fametrahana fitrandrahana harena an-kibon’ny tany maharitra lavitry ny fampiasana zaza tsy ampy taona.

Tatiana A

Partager sur: