Anjaran’ireo mpikaroka ao amin’ny CNRIT indray no nisitraka fanamafisana fahaiza-manao, ny herinandro lasa teo, tao amin’ ny efitrano fivorian’ ny CNRIT. Tanjona ny hananan’ireo mpikaroka vao noraisina sy tranainy fahalalana ampy momba ny fizaka-manana indostrialy, sy ny lafiny haivao teknolojika ary ny fomba fiasa ara-kalitao eo amin’ny sehatry ny laboratoara . Ankoatran’ireo ny fampahafantarana misimisy kokoa momba ny fizaka-manana ara- tsaina na “propriété intellectuelle” satria mila arovana ny valim-pikarohana .
Miara-manatanteraka izany ny Direction de la recherche de l’innovation eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Office malgache de la propriété industrielle (Omapi) ary ny Centre d’appui à la technologie et à l’innovation (CATI). Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanatanterahana ny fikarohana sy ny haivao eto amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fanamafisana fahaiza-manao. Efa nahatanteraka ny azy ny eo amin’ny Parc botanique et zoologique de Tsimbazaza (PBZT), ny Institut malgache des vaccins vétérinaires (Imvavet) ary ny Centre national d’application de recherches pharmaceutiques (Cnarp).
Vonjy




