« Festival de Cannes » : hisy Malagasy dimy mpanatontosa sarimihetsika

Voafantina hiatrika ny “Festival de Cannes 2023” ny horonantsarimihetsika miisa enina avy amin’ny fikambanana Cinemalagasy. Malagasy dimy, iray avy any Cameroun. Horonantsarimi­hetsika niavaka nandritra ny hetsika Madagacourt Film Festival izy ireo. Ny 20 hatramin’ny 27 mey 2023 no hiatrika ny “festival de Cannes 2023” ireto mpanatontosa enina ireto. Andiany faha-76, ity hetsika lehibe eo amin’ny horonantsarimihetsika ity an­kehitriny. Nanomboka omaly, tsy hifarana raha tsy amin’ny 27 mey 2023, ao Cannes Frantsa.
Mitohy ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpanatontosa, indrindra ny nandray anjara tamin’ny Madagas­court Film Festival. Anisan’ izany i Andry Ranarisoa, Hary Joel, Franco Clerc, Sitraka Randriamahafaly ary Gilde Razafitsihadinoina. Manampy isa azy ireo amin’izany i Jules Kalla Eyango avy any Ca­meroun, fa nandray anjara tamin’ny Madagascourt Film Festival ka nahazo izao tombony izao.
Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe “Cinemalagasy” ireto mpanatontosa ireto. Fikambanana ahitana ny mpanatontosa re­hetra nivoaka tamin’ny Ma­dagascourt Film Festival. Amin’ny alalan’ny Cinema­lagasy no ijeren’ny teknisianina sy vahiny mpanatontosa izay horonantsarimihetsika mahaliana sy maharesy lahatra azy. Tombony ho an’ny mpanatontosa ny fisian’ny fikambanana mba hisehoany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: