“The Voice Africa” : tsara toerana i Rinah Arifenitra

Misongadina hatrany ny Malagasy! Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, nahitana teratany malagasy nandray anjara avokoa ireo fifaninanan-kira iraisam-pirenena malaza. Anisan’ireo efa misongadina sahady ao anatin’ny “The Voice Africa 2023” i Ri­nah Arifenitra, tovovavy mpanakanto hametrahan’ny mpiray tanindrazana aminy ny fitokisana rehetra amin’ity fifaninanana ity. Tsy ny Ma­lagasy irery, fa ireo “coachs” efatra koa dia samy nitodika avokoa nandritra ny “audition l’aveugle”, ny faran’ny herinandro teo. Midika izay fa resy lahatra tamin’ny feon’i Rinah aloha ireto mpanakanto nosafidiana ho “coachs” ireto.
Nisafidy ny hiara-dalana amin’i Awilo Longomba i Rinah, hoan’ny tohin’ny lalany. Ito farany izany mpanakanto afrikanina nalaza sy efa nankaty Madagasikara ihany koa, ka mety hifanaraka tsara ny lalana. Efa tsara, kanefa mbola misy dingana sy sedra maromaro miandry an’ity Malagasy mpanakanto ity, mandrapahatonga any amin’ny famaranana. Azo antoka anefa fa raha ny nanaovany ilay hira “Drivers license” teo, afaka manome lavitra mihoatra noho izay andrasan’ny maro aminy izy.

Zo ny Aina

Partager sur: