« Festival Zetra »: hanehoana ny mampiavaka ny faritra Alaotra

Hotanterahina any Amba­ton­drazaka, ny 24 sy 25 jona 2023, ny “Festival Zetra” andiany voalohany. Hetsika eo amin’ny lafiny fizahantany sy kolontsaina hanehoana ny mampiavaka ny foko Si­ha­naka sy ny faritra Alaotra Mangoro. Ny fikambanana Zetra Festival miaraka amin’ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka samihafa no mikarakaraka ny hetsika. Dia­be, fampirantiana, fampisehoana, fitsidihana ny farihin’ Alaotrao no hameno ny fandaharam-potoana mandritra ny “Festival Zetra”. Nisy ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety, ny alarobia 17 mey 2023 teo, nampahafantarana ny fandaharam-potoana sy ny momba ity hetsika lehibe ity.
Fanehoana ny maha izy azy ny faritra Alaotra, indrindra ny Sihanaka, no tena atao mandritra ity “Festival Zetra” andiany voalohany ity. Hison­gadina manokana ao anatin’izany ny gadona hosiky, mampiavaka ny foko Sihanaka. Hisy, araka izany, ny fampisehoana hanehoana io gadona io, iarahana amin’ny mpahay kanto avy any an-toerana, izay miangaly izany. Hisy ihany koa ny fampisehoana iarahana amin’ny mpanakanto fanta-daza. Mpahay kanto sy tarika 12 no hanafana ny hetsika mandritra izany. Hiranty mandritra izany hetsika izany ihany koa ny asa tanana vokarin’ny mpanao asa tanana avy amin’iny faritra iny.
Hisy ihany koa ny fampahafantarana ny zetra sy fitsidihana ny toerana misy izany mandritra ny hetsika. Ny zetra izay karazana zozoro fonenan’ny bandro, izay biby tsy hita raha tsy amin’iny amoron’ny farihin’Alaotra iny. Misy ihany koa ny onjy, karazam-borona amin’iny amoron’ny farihin’Alaotra iny, ankoatra ny bandro. Tafiditra ao anatin’ny hetsika, mandritra ity “Festival Zetra” andiany voalohany ity, ny fitsidihana ny farihin’Alaotra, hijeren’ny mpitsidika ireo zavamaniry sy biby mampiavaka ny faritra Alaotra.
“Samy manana hetsika lehibe sahala amin’izao avokoa ny faritra rehetra misy eto Madagasikara. Izany indrindra no nahatonga anay aty amin’ny faritra Alaotra Man­goro nanao “Festival Zetra”, hampisehoanay bebe kokoa ny maha izy anay”, hoy i Nully Ratomosoa, talen’ny fikambanana Zetra Festival.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: