Teatra poetika: holalaovina an-tsehatra ny « Mampangidihidy-Z »

Matetika, arahina antsan-tononkalo na tsangan-tononkalo na vela-kevitra hatrany ny famoahana boky tononkalo. Amin’ity indray mitoraka ity, novain’ny Faribolana San­dratra izany ka natao teatra poetika, hotanterahana ao amin’ny Ivokolo Analakely, ny 20 mey amin’ny 3 ora tolakandro, raha ny fanazavan-dRatsifa. « Mampangidihidy-Z », tantara an-tsehatra maoderina. Tonon­kalo maromaro narafitra ho lasa tantara iray mahaleo tena ahitana karazam-pihetsehampo samihafa kosa no lahatsoratra ampiasaina.
« Mampangidihidy –Z », tantaram-pitiavana iainan’ny maro amin’izao vanim-potoana izao. Hanome aina ny tantara ireo mpilalao 6 mianadahy (4 vavy 2 lahy). Ahitana  danse con­temporaine,  hiarahana amin’i Andry T sy ny ekipany ary ilay mpanao  art plastique  Pacome mikarakara ny ravaka. Teatra poetika nosoratan’i Avelo-Nidor. Narindrany an-tsehatra (ora iray sy sasany) ny hetsika.
Hilalao ny « Mampangi­dihidy-Z », ireo tanora ao amin’ny Faribolana Sandratra sy sakaizan’ny Faribolana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: