Amboara eran-tany «Slam-Poèsie» : tsy tratra ny tanjona ho an’i Hichim

Tontosa omaly, tao Belleville Paris, ny dingana faharoa sady manasa-dalana, ho an’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny “Slam Poèsie”. Mpifaninana 6, tao anatin’ny 12 naharesy tamin’ny dingana faharoa no tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana, tanterahina anio. Tsy tafita ho amin’izany dingan’ny famaranana izany i Hichim. Tsy tratra ny tanjona ho an’ny solontenan’ny Ma­la­ga­sy . Hafana ny dingana fa­maranana hotanterahina anio. Mpiangaly Slam 6 manana ny maha izy azy no hiatrika izany dingana izany.
Tontosa ny zoma 19 mey 2023 teo ny dingana faharoa, manasa-dalana amin’ny fiadina ny amboara eran-tany amin’ny “Slam poèsie”. Tao anatin’ny manasa-dalana faharoa no niaka-tsehatra ny solontenan’ny Malagasy. Ni­ha­tsara ny seho an-tsehatra nataon’i Hichim, raha oharina tamin’ny nataony nandritry ny dingana voalohany. Tany amin’ny farany no nahitana an’i Hichim, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ ity manasa-dalana ity.
Tsy ampy nahatafakatra azy amin’ ny dingana manaraka intsony ny ezaka lehibe nataony teo amin’ny fihodinana faharoa.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: