Mois : mai 2023

Fidinana ifoton’ny Ceni : nisitraka ny tambin-karamany ireo mpanisa mpifidy

Nitohy, omaly, tao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny fidinana ifotony tanterahin’ ny eo anivon’ny Ceni. Nanome toromarika sady nizara ny tambin-karaman’ireo nisahana ny fanisana mpifidy izy ireo tamin’izany. Anisan’ny nisitraka iza­ny ireo mpikambana eo anivon’ny “CLRE”, eny amin’ny fokontany sy ny kaominina “CEC”, niainga avy amin’ny volavola eo anivon’ny birao maharitry […]

Moramanga : fasana telo indray vaky, razana 22 nanjavona

Mirongatra indray ny halatra taolam-paty! Razana 22 indray lasan’ny mpangalatra taolam-paty nandritra ny vaky fasana tao amin’ny fokontany Camp des mariés Moramanga, afakomaly. Nahazo loharanom-baovao avy amin’ny lefitry ny lehiben’ny fokontany ny zandary avy ao amin’ny borigady Moramanga momba ny fisiana trangana vaky fasana tao an-toerana. Fasan-drazana telo ana fianakaviana […]

Samy mailo

Milamindamina ny raharaham-pirenena. Samy miezaka manasongadina ny tenany ny mpilalao politika. Raha anisan’ny niketriketrika tetezamita ny fitondrana. Mivoy ny fifidianana indray ny mpanohana ny filoha Rajoelina Andry. Miseholany ny fampirisihana ity farany hilatsaka hofidiana. Anisan’ny tsy manafina izany ny mpikambana amin’ny governemanta isan-tsokajiny. Misy ny manao fanambarana mivantana. Misy ny […]

Mpisandoka mizara tany : efatra mianadahy nampiasa ny anaran’ ny Filoham-pirenena

Voasambotry ny zandary, teny Ivato, omaly, ny olona efatra, misoloky volan’olona amin’ny resaka fizarana tany. Nisandoka sy nampiasa ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina izy ireo. Tra-tehaky ny zandary omaly, ireo efatra mianadahy misandoka ho avy amin’ny fikambanana iray mpizara tany. Milaza fa avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ka mampiasa ny […]